Arahaba soa, arahaba tsara: efa mandeha ny fidinana ifotony amin’izao? Na isan-tsehatra, na isan’ambaratonga. Mba tsy ho am-boalohany ihany… Tsy inona fa fijerena ny zava-misy amin’izay iainan’ny vahoaka andavanandro, famahana olana, firosoana amin’ny vokatra haingana sy mivaingana, misy fiantraikany mivantana… Amin’izany, mahita lazaina hatrany ny be tsingoloka isany: ahoana, […]
Other News
Fitantanana sy fampandrosoana : mampitovy fijery ireo sekretera jeneralin’ny minisitera
Nitondra ny heviny ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Primatiora momba ny fitantanan-draharaham-pirenena. Mila mampitovy fijery ireo sekretera jeneraly, araka ny fanazavany. «Atao izao fivoriana izao mba hahazoana mampitovy ny fomba fijery sy mifanakalo hevitra amin’ny hanatsarana ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny, indrindra ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika». Izany ny […]
Antanimora : miaramila 3 maty voatifitry ny dahalo
Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny andian-dahalo 70 mahery nanafika fokontany telo tao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo, ny alin’ny 20 septambra 2024 teo, ny miaramila telo lahy : ny SGC Dorsel Rolland sy S2C Ravelomahazo, samy avy eo anivon’ny Holafy faharoa ao Bekily ary ny S2C Nantenaina Stéphano Jean Zoré avy eo anivon’ny […]
mitety mpivarotra : roa lahy nahatrarana vola sandoka
Voasambotry ny zandary ny mpisoloky roa lahy mpanaparitaka vola sandoka tao Tsaramody, kaominina Mandrosohasina, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nitondra vola sandoka roa alina miisa 10 izy roa lahy. Manatona mpivarotra, mody mividy zava-pisotro ireto mpisoloky ireto. Manome ny vola sandoka ary mahazo vola fameriny. Mifindra mpivarotra hafa indray izy ireo aorian’izay. […]
Mody mitady kariera : roa lahy nahatrarana Kalach
Basy AKM roa mahery vaika niaraka amin’ny bala ampolony, tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny roa lahy tao Ankasakasa, distrikan’i Besalampy, ny 20 septambra teo. Avy any Mahajanga nandeha botry, naneho fihetsika mampiahiahy ireo olona roa ireo ka narahi-maso akaiky. Nivantana avy hatrany tao amin’ny olon-tsotra iray izay mpamboly, monina […]






