Other News

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praimi­nisitra Ntsay Christian, ny sekretera maharitry ny Organisation pour l’harmonisation du droit des affaires (Ohada), ny Pr Mayatta Ndiaye Mbaye, teny Mahazoarivo, afakomaly. Nifantohan’ny fihaonana ny fanirian-dry zareo ny hidiran’i Madagasikara ao anatin’io fikambanana io. Nilaza ny Praiminisitra fa mbola mila fifampidinihana eo amin’ny mpisehatra rehetra […]

Fiatrehana fifidianana: manentana ny vehivavy hirotsa-kofidina ny Ceni

“Midina ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy. Tsy eo amin’ny mpirotsa-kofidina ihany izany, fa eo amin’izay voafidy indrindra koa”, hoy ny sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny Ceni, Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, teny Alarobia, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana. Tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, ny taona 2019: 5% na 300 mahery ihany ny vehivavy voafidy […]

Ny vahoaka aloha…

  Nanaovana tombana tamin’ny asa vitany avy ireo minisitra teo aloha izay nanao fianianana. Inona no vita ary inona no tsy vita sy antenaina fa ho vita? Miankina amin’izay ny ho tohin’ny raharaha amin’izao, ny tantana sy ny tantara. Hanao ahoana? Mandra-pitrangan’izay hitranga, manao tombana ho azy koa ny vahoaka […]

Fiaraha-miasan’i Chine sy Madagasikara: hanohana ireo tetikasan’ny fitondrana ny filoha Xi Jinping

Mitohy hatrany ny fitadiavana fiaraha-miasa ataon’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fanamby sy ny vinam-pampandrosoana napetraka. Anisan’ny fahombiazana sahady izay fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sinoa izay. Tontosa, omaly, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Xi Jinping, izay tafiditra ao anatin’ny […]

TSELATRA

Vehivavy iray hita faty vao maraina teny Anto­homadinika Atsimo, omaly. Raha ny fahitana ny razana teny an-toerana, tsy misy akanjo intsony ny tapany ambany. Ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa naolana izy mialoha ny namonoan’ireo olon-dratsy azy. Andrasana ny tohin’ny famotorana. Nilatsahan’ny taribin-jiron’ny Jirama ny […]