Mpandeha moto sy olon-tsotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tra-doza, teo Anosy, omaly. Niraikitra tampoka ny mpanafaingam-pandeha, tsy voafehin’ny mpamily intsony, noho izany, ny fiara. Vokany, tapa-tongotra ilay olon-tsotra niharan-doza. Tsy nijanona raha tsy tao anatin’ny farihin’Anosy ilay fiara 4×4. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity. Nentina […]
Other News
Fampandrosoana ara-toekarena: hitondra tombontsoa maro ny fiaraha-miasa amin’ny Sany Group
Fiaraha-miasa maro no azon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny dian’izy ireo tany Chine. Ankoatra ireo nosoniavina nandritra ny « Focac 2024 ». Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa tsy miankina sinoa. Anisan’ireo fihaonana nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tany Chine, ny fitsidihana ny Sany Group. Orinasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisy ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra eto amintsika, iarahana amin’i Indonezia. Hatao amin’ny taona 2025 ny fandinihana sy ny fikarohana ary hanomboka ny 2026 ny fanatanterahana azy. Manohana ny tetikasa ny Fiaraha-miasa alemà, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasan’ny telo tonta, firenena samy tatsimo sy Alemaina (SSTC). Vita sonia ny 3 septambra teo […]
Tao anatin’ny telo volana : 170 miliara ny euros nandalo teto Madagasikara
Mitotongana hatrany ny sandam-bola malagasy. Tao anatin’ny iray volana, manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray. Omaly, nisanda 4 965,52 Ar ny euro iray, raha 4 524,70Ar kosa ny dolara. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitananam-bola, fa « mihena ny fampiasana ny euro eto amintsika raha oharina amin’ny dolara. […]
Banky foiben’i Madagasikara : mitady mpamatsy volamena
Miverina misokatra indray ny tolo-bidy amin’ny ividianan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) volamena. Manao antso ho fanehoana tombontsoa (appel à manifestation d’intérêt) ka mitady mpamatsy volamena ny BFM ka vonona handray ny vokatra rehetra na ny ampaham-bokatra mbola tsy voadio ananàn’ireo mpisehatra. Mpandraharaha ara-dalàna sy matihanina no tadiaviny, izany hoe ireo […]






