Dahalo roa lahy tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao Evato, anatin’ny kaominina Vohilengo, distrikan’i Farafangana, ny 13 aogositra teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’i Betaikaomby, ny alin’ny 19 jolay tamin’ny 11 ora alina. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nanao ramatahora ny tompon-trano, nandratra olona tao amin’ny tokantrano lasibatra izy […]
Other News
Nifandona tamin’ny 4×4 : mpitondra moto maty tsy tra-drano
Namoy ny ainy, vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ny mpitondra moto iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Analafasika, kaominina Agnavoho, distrikan’Ampanihy-Andrefana, afakomaly. Nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tamin’io lalana io ity mpitondra moto ity. Nivoa-dra ka nikiry nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana ny nanatri-maso. Tsy tana minitra vitsy taorian’ny loza […]
Fifampitifirana mahery vaika: zandary naratra, dahalo iray maty
Lasibatry ny asan-dahalo tato ho ato ny mpitandro filaminana mihatrana an-kianja. Naratra mafy voan’ny tifitry ny olon-dratsy ny zandary iray tao amin’ny distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naratra voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana ny zandary GC1 iray tao Ambalihabe, fokontany Androtra, kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Nanao fanarahan-dia ny dahalo ikoizana, […]






