Kihon-dalana goavana amin’ny Barea de Madagascar ny lalao roa voalohany amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, taranja baolina kitra. Tanjona ny hakana isa 6 manoloana an’i Tunisie sy i Comores, hoy ny Me Rôrô. Ny talata lasa teo, vao tafaverina an-tanindrazana ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôrô). Omaly, nitafa tamin’ny mpanao […]
Other News
Antsirabe : notanana am-ponja ilay mpangalatra moto
Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja ny mpangalatra moto iray tao Soanindrariny, kaominina Antsirabe II, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa lasan’ny olon-dratsy ny moto iray tao Miaramasoandro, ny 24 jolay teo. Voaray tamin’io fotoana io ny anaran’ny olona ahihina ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Nanao fikarohana avy […]
Raharimanana Patrick: ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Mahajanga
Nanaitra ny maro ny fanehoan-kevitr’ i Patrick Raharimanana, omaly, tao amin’ny tambajotra sosialy, nanambara ny filatsahany hofidiana ho ben’ny Tanànan’i Mahajanga, amin’io fifidianana ho avy io. « Ho ataontsika modely amin’ny fampandrosoana eny ifotony i Mahajanga I … », hoy izy tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany. Nisy ihany koa ny filazalazany ireo tetikasany maro […]
SNLCC vaovao: Efa manomboka ny famolavolana
Ny faritanin’i Mahajanga no nanombohana ny fanaovana ny dinika isam-paritra hamolavolana ny “Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption” (SNLCC). Nifarana omaly ny fikaonandoha, ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Dinika nandraisan’ireo tomponandraikitra anjara mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ao an-toerana. Raha tsiahivina, dingana voalohany ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025. Dingana faharoa […]
Antoko HVM: handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina
Velona ary mbola vonona hifaninana handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny antoko HVM. Na eo aza ny fiarahana amin’ny vovonana Firaisankina. Angatahan’ny antoko ny hisian’ny olony ho ao anaty lisitra. Nanao fanambarana ny avy eo amin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tamin’ny alalan-dRakotovao Rivo, mpandridra […]






