Manomboka eo amin’ny 25 000Ar ka hatramin’ny 30 000Ar ny kilaon’ny lavanila maitso ao amin’ny faritra Sofia. Nihena ny vokatra tamin’ity taona ity saingy tsara ny kalitaony. Kaominina telo, ao amin’ny distrika Bealanana, kosa no misy ny tsenan’ny lavanila dia ny any Ambohimisondrotra sy Ambodisikidy ary Ambararata. Nidina ifotony tany amin’ny faritra […]
Other News
Harena voajanahary: mirongatra ny trafikana sokatra
Ny eo tafaverina, ny etsy mikasa hoentina hivoaka. Tsy mety foana ny trafikana sokatra sy harena voajanahary eto amintsika, ary tsy vitsy fa aman-jatony ny isany. Tratra tany ivelan’ny seranam-piaramanidina Ivato afakomaly , ny olona 2 saika hanondrana antsokosoko sokatra miisa 208 ho any ivelany. Tsy mbola fantatra ny karazan’ireo […]
SOMBIM-BAOVAO
Ho fanomanana ireo mpilalao handimby ny Makis Ladies, hisy lalao fifantenana ho an’ireo ankizy latsaky ny 17 taona hatao etsy amin’ny Kianja Makis, ny 24 sy 25 aogositra ho avy izao. Handray anjara amin’izany ny SCB Besarety, ny UAS Cheminots, ny Edo, ny Madecasse sy Andavamamba ary ny faritra Atsimo […]
Lalao Olympika ho an’ny sembana : tsy manana solontena ny Malagasy
J-7 amin’ny fanombohan’ ny lalao Olympika, natokana ho an’ireo atleta manana fahasembanana (Jeux paralympiques 2024), hatao any Paris France, anio. Fihaonana hatao ny 28 aogositra ka hatramin’ ny 8 septambra ho avy izao. Mijanona ho mpitazana ny Malagasy amin’ity fa tsy manana solontena. Tsy nahazo ny fanasana manokana “wild card” […]
Muay Thaï-Maitre Gildas : nankatoavin’ny IFMA ny maha-DTN azy
Nankatoavin’ny IFMA Ocean Indian, ny 14 aogositra lasa teo, ny maha Tale Teknika Nasionaly, an’ny Maître Razanajatovo Gildas, eo anivon’ny federasiona malagasy ny Muay Thaï. Nankato izany koa ny African Muay Thaï Union, izay nanao ny Sonia ny taratasy nanendrena azy. Nambarany izany ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina, […]






