Lehilahy roa naratra vokatry ny fivadihan’ny taksiborosy iray tany amin’ny RN11, teo amin’ny sampanan-dalana Maronono, fokontany Centre Ville, kaominina Ilaka-Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, afakomaly. Nitatitra olona hihazo an’i Mahanoro io fiara io. Niharan’ny tsy fahatomombanana teknika tampoka anefa ilay fiara. Nivadika nivoaka ny arabe teo amin’ny PK 85+900, anatin’io lalam-pirenena io, […]
Other News
Antsohihy: lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray voasaringotra tamin’ny raharaha vono olona nitranga ny taona 2023, tra-tehaky ny fokonolona tao Bazary Be, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Androibe, kaominina Ankerika, distrikan’Antsohihy, ny faran’ny taon-dasa teo. Olona maromaro nosamborin’ny mpanao fanadihadiana tamin’io fotoana io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, notanana am-ponja vonjimaika ny […]
Moto sy fiara enina voafaoka: Taxi-be 015 tapaka hisatra!
Tra-doza ny fiara fitateram-bahoaka iray, omaly, teny Ankadilalana. Fiara enina sy moto iray no voafaoka ka potipotika tanteraka. Olona roa naratra izay tena voa mafy ny iray. Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona teny Ankadilalana, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Fiara taxi-be zotra 015 hihazo an’i Mahamasina no tapaka hisatra tampoka rehefa […]






