Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 10 000 ny zana-trondro nozaraina tamin’ ny mpiompy trondro tilapia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny 16 jolay teo. Mpiompy miisa 23 ny mpisitraka avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Farafan­gana ary Vondrozo. Nano­lotra izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Jono, entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Hahodina ho angovo madio « biomé­thane » […]

Tsy fisian’ny orinasa : Sakana ho an’ny fampandrosoana ao Toliara

Mibahan-toerana ny tsy fisian’ny asa any Atsimo An­drefana. Anisan’ny manana izany fijery izany i Bokassa, fi­lohan’ny fikambanana Zatovo tsy an’asa any Toliara. « Tsy azoko mihitsy ny zava-misy, mitady fanampiana ara-bola etsy sy eroa ny fanjakana, nefa samy manana ny otrikarenany daholo ny rafitra tsirairay, ary anisan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy », […]

Famarinana olona : mahatratra 150 tapitrisa dolara ny vola mihodina

Manodim-bola hatrany amin’ny 150 tapitrisa dolara isan-taona ny famarinana olona. Tanjona ny hamerenana indray ireo lasibatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafakatra 150 tapitrisa dolara isan-taona ny vola mihodina eo amin’ ny famarinana olona, araka ny tatitra navoakan’ny Unesco USA. Lasibatra ny vehivavy sy ny tovovavy. « Voasokajy ho trangana famarinana olona […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Hernan Rivelo… Io ny solon’ anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, nikirakirany ny vaovaon’ny kolontsaina nandritra ny taona maro. Efa nandalo tao amin’ny gazety Express de Madagascar, ny Hebdo ary ny Madagascar Matin izy. Efa nanoratra tononkira ho an’ny mozika rock ihany koa, raha ny nambaran’ireo namany. Piment […]