Miatrika ny famotorana azy etsy amin’ny biraon’ny polisy Anosy, hatramin’izao, ilay raim-pianakaviana nikapoka ka nahafaty ny zanany. Voamarina fa mbola naolany nandritra ny fotoana maharitra ilay zazavavikely.
Mbola tsy vita fa anatin’ ny fanadihadiana tanteraka ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy, mahakasika ilay raim-pianakaviana nikapoka ka nahafaty ny zanany tamin’ny alahady. Raha tsiahivina ny raharaha, namoy ny ainy noho ny vono nataon’ny rainy niteraka azy, tetsy amin’ny tanànan’Akamasoa, ny zazavavikely vao valo taona, antsoina hoe Delencia. Nilaza ny avy ao amin’ny fianakaviany fa nirahin’ny dadany hividy zavatra ity lasibatra, tokony tamin’ny 10 ora tany ho any, tamin’ny andro nitrangan’ny voina. Nobedesin-drainy izy, nolazainy fa nampitondraina vola 5 000 Ariary kanefa 1000 Ar no nomeny. Taorian’izay, nandeha nilalao niaraka tamin’ny ankizy teny an-tokotany i Delencia, ary nalehan’ ny rainy teny. Tsy nisy alaharo alaharo, novonoiny tamin’ny hazo ny atoandro tokony tamin’ny 2 ora. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay zaza rehefa niharan’ny habibiana nataon’ny dadany. Nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana nialana nenina izy. Tsy tana ny ainy fotoana fohy taorian’izay. Voalazan’ny mpitsabo fa voakapoka mafy teo amin’ny hatony sy ny lamosina izy. Tapaka tanteraka izany ka nitarika ny fahafatesany.
Naolana
Ankoatra ny kapoka, nipoitra tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa naolan’ilay raim-pianakaviana ilay zanany naterany. Efa fotoana maharitra no nanaovany izany. Potika tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza sy ny fivoahany, hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitsabo.
Hatolotra ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Marihina fa mamo tanteraka ilay rangahy tamin’ny fotoana namonoany ny zanany. Efa nametraka fitoriana azy ity rahateo koa ny fianakaviana ary tsy hamela fotsiny izao raharaha izao. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana ataon’ ny manampafehana.
Mino




