Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny fifandraisana amin’ny firenena afrikanina ny fitondram-panjakana malagasy. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy fanambin’ny firenena afrikanina amin’ny fampanjakana ny “Panafricanisme”. Manatanteraka fivahinianana ara-panjakana any Angola, nanomboka omaly hatramin’ny anio, ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Famaliana ny fanasan’ny filohan’ny Repoblikan’i Angola, João Manuel […]
Other News
HCDDED tany Toamasina: “Ilaina ny demokrasia sahaza ny Malagasy”
Nanatanteraka valandresaka tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), ny herinandro teo. Niompanan’ny lohahevitra sy nanentana ny mpianatra ny asa sy ny andraikitr’ity rafitra iray ity. Namintinan’ny filoha lefitry ny HCDDED, i James Ramaroson, izany ny […]
Fikarakarana fifidianana: nankasitrahan’ny Pnud ny ezaky ny Ceni
Nandray ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana (Pnud), i Natasha Van Rijin, ny avy eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Nambarany tamin’izany fa afapo tamin’ny ezaka nataon’ ity rafitra ity izy ireo. Anisan’ izany ny nanatanterahana ny fifidianana mangarahara, nandraisan’ny rehetra anjara tamin’ireo zotram-pifidianana nifanesy. Nohamafisiny ny fitohizam-piaraha-miasa hahamafy orina hatrany […]
Fifidianana ben’ny Tanàna: mitaky mangarahara amin’ny volan’ny kandidà ny OSC
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 86 eo anivon’ny OSC, omaly, tetsy Ambatonakanga, amin’izao hiatrehina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina izao. Maromaro ireo fitakiana sy fepetra napetrak’izy ireo. “Tokony hamafisina ny fangaraharan’ny fandaniam-bola mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ ny alalan’ny fanasiana sazy mifandraika amin’ny kandidà mpandika lalàna, tsy manokatra kaonty […]
Antoko Maitso: “Governemanta teknika no tokony hajoro”
“Mety izao hoe efa mitsangana ny Antenimierampirenena vao mametraka governemanta. Heverin’ny antoko Maitso fa tokony ho governemanta politika izy io, na izay manana solontena ao amin’ny Antenimierampirenena no tokony ho minisitra”. Izay ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, i Georget Alexandre, ny amin’ny fandrafetana governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana […]






