Mbola ao anatin’ireo ekipa efatra voalohany hiady izay ho lohany amin’ny “Masters 2024” taranja tsipy kanetibe i Madagasikara. Taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany, laharana fahatelo amin’ireo 7 mifaninana ny Malagasy. Namoaka ny isa azon’ ireo ekipa 7 mifaninana amin’ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe ny Quaterback, mpikarakara, taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany, […]
Other News
Lamtah London : hiverina an-tsehatra
Mivoatra manaraka ny filana ny mozika. Nanaraka izay rivotra izay i Lamtah London. Anisan’ireo mpanakanto zanak’i Toliara, nisafidy ny mozika an-tanàn-dehibe izy, tamin’ny nanombohany 10 taona lasa izay. Nanafangaro ny ragga dancehall, ny reggae roots, sns, tamin’izany, ka namoaka ny “Reveny”, sns. Nisy fotoana niato kely, naka bahana ho an’ny […]
Fialantsasatra lehibe : Iandrasana vahiny ny lalao iombonana
Manana ny lalao fanao ny Malagasy fahiny. Ny ankamaroany, saika notanterahina teo an-tokotanibe. Tsy hita intsony izany ankehitriny, raha tsy eo ny finiavan’ny vahiny ! Tafiditra tao anatin’ny fanabeazan’ny Malagasy ny taranany ny lalao. Vitsy raha oharina amin’ny lalao iombonana ny lalao samy irery. Ny ankamaroan’ireny lalao ireny rahateo, tsy […]
Vaovao tambatra
Hampiasaina ao an-tokantrano ny 40% ny trosa ataon’ny Malagasy. Mahatratra 46,3% io taha io any ambanivohitra raha manodidina ny 26,3% izany an-tanàn-dehibe. 11,5% ny tahan’ny fitrosana hananganana orinasa, raha 11,4% ho an’ny antony fahasalamana. Vinavinaina hampiditra 37 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Madagasikara ny fidirantsika ao amin’ny ZLECAF. Heverina fa […]
Fandraharahana : manodidina ny 11% ny tahan’ny fampidiran-ketra
Mbola ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara. Manodidina ny 11% izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 18% any amin’ireo firenena afrikanina. «Betsaka ireo mpandraharaha mbola misehatra eo amin’ny tsy ara-dalàna ka anisan’ny mahatonga izao taha ambany izao», hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana, Ramonjavelo Valery, […]






