Other News

Solom-bava mba aoka…

Hilamina amin’izay ny tany sy ny fanjakana? Indrindra ny politika… Misy ary voamarina ny fahazoana maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena; eny, na eo aza ny karazana kajikajy sy fampitandremana politika: tsy tokony hiandany hatramin’ny farany ireo depiote tsy miankina, mila miverina amin’izay niaviany ireo avy amin’ny antoko politika… Na ahoana […]

Depiote Mily sy i Lalatiana: samy nisaotra ny vahoakan’i Faratsiho

“Marina fa nisy fanafoanana vato 142 tany amin’ny fokontany Ambero Tsara­mody, Vinaninony Atsimo”, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Faratsiho, avy amin’ny vondrona Firai­san­kina, Ramilison Andria­mam­pionona na i Mily. No­tsiahiviny fa betsaka ny fifamaliana teny amin’ny HCC. Niezaka ny nanafoana vato 2 100 mahery tany Vinaninony Atsimo ny kandidà mpifaninana. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Mavesatra ny adidinareo solombavambahoaka”

Niarahaba sy nirary soa ireo solombavambahoaka voafidy manerana ny Nosy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Tsy ho mora! Notsiahiviny tamin’izany fanambarany izany ny zava-dehibe miandry ireo olom-boafidy ho etsy amin’ny Lapan’ny An­tenimierampirenena etsy Tsimbazaza ireo. “Manan­danja ary tena mavesatra ny adidy hiantsorohanareo ho an’ny […]

Tselatra

Valo lahy nalefa eny Tsiafahy ary fito mianadahy naiditra eny Antanimora taorian’ny fampanoavana. Voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana mpitsara iray miasa ao Mahajanga ny 19 jona lasa teo, izy ireo. Niakatra fitsarana, omaly, ireo olona voasaringotra tamin’ity raha­raha ity ireo ka ny mpamilin’ilay mpitsara ihany no tompon’antoka. Olona efatra naratra vokatry […]

Vao nivoaka ny fonja: jiolahy tratra nangalatra moto

Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa (lehilahy sy vehivavy) malaza ratsy amina halatra moto. Ireo polisy miasa ao amin’ ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohija­tovo no nahasambotra ireto mpangalatra moto ireto. Araka ny tatitra nampitain’ny polisy, mampitairana ny olona eny Amba­nidia sy ny manodidina […]