Nifarana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM andiany faha-10) sy ny ho an’ny asa tanana (andiany faha-10). Nambaran’ ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, fa « nampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny IHM. Voafetra ho 100 ny tranohevan’ny mpandray anjara, na maherin’ny 400 aza no nangataka. […]
Other News
Fiarovana ny tontolo iainana: maro ny andraikitry iantsorohan’ny mpianala
Androm-pirenena ho an’ny mpianala omaly 24 jona. Tsy mbola ampy ny isan’izy ireo, raha oharina amin’ny velaran’ny ala eto amintsika, araka ny fenitra iraisam-pirenena. Misy karazany roa ny mpianala. Voalohany, ny injenieran’ny rano sy ny ala, miofana eny amin’ny Sekoly ambony momba ny siansan’ny fambolena Ankatso, misahana ny fandrindrana sy […]
FJKM Amparibe Famonjena – RFF: hiaraka hihira amin’ i Henri Ratsimbazafy
Anisan’ny mampiavaka ny RFF Amparibe Famonjena ny fanatanterahana hetsika ho an’ny tanindrazana sy ny ankizy hanala fanadinanna. Ho an’ity taona 2024 ity, hiaka-tsehatra ihany koa i Henri Ratsimbazafy! Hotanterahina, anio talata 25 jona, etsy amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva ilay hetsika lehibe, vavaka ho […]
Fantina sy fintina
Tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mponina amin’ireo kaominina miisa 31 any amin’ny distrikan’i Vangaindrano. Nambaran’ny filohan’ny BAAM ho anton’izany ny antsojay sy fanenjehana ny depiote Masy Goulamaly, i Mahavitara Sylvestre ary Razanamahasoa Christine. Miisa efatra mianadahy ireo tanora voafantina hiofana any Sénégal, amin’ny alalan’ny programa andiany […]
Tsy mahantra ny Malagasy
Mihanoka tanteraka anatin’ny asaramanitra Ramalagasy. Fety aman-danonana natokana hanamarihina ilay fahaleovantenan’ny firenena, feno 64 taona. Fiaraha-mikoragna sy mifaly manerana ny tanàna. Hanadinodinoina ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-batan’olona. Mahavariana ny mahita ny ankamaroan’ny olona manjifa ny tolotra fialamboly etsy sy eroa. Mifanitsakitro manerana ny tsena. Mipetraka ny fanontaniana: mitombona ihany ve […]






