Other News

Rugby – “Seven’s men Africa cup”: nankasitrahin’ny minisitra Valery Ramonjavelo

Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, omaly, tetsy Mahamasina, ny ekipam-pirenena malagasy Ma­kis sevens. Nanolotra ny teny fisaorana tamin’ny alalan’ny fanjakana ho azy ireo ity minisitra ity, noho ny vokatra tsara azon’ny Makis, nandritra ny fifanintsanana “Seven’s men Africa cup”, natao tany Maurice, ny […]

Handball – “CCCOI 2024”: resin’i Mayotte i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny Cosfa teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy lehilahy. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Resin’ny Mahorais, tamin’ny isa 26 no ho 20, ry zalahy. Vokatra tsy nampoizin’ny rehetra. Noheverina fa […]

Taranja bisikileta – Ocean Indien: hatao eto Madagasikara ny taona 2025

Handray lalao iraisam-pirenena i Madagasikara, ny taona ho avy io. Efa mitsangana ny fikambanan’ny mpilalao bisikileta aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izay tarihin-dRelaha Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ ny bisikileta. Nambaran-dRelaha Jean Claude, filohan’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny bisikileta, omaly, fa horaisin’i Madagasikara, amin’ny taona 2025 ho avy io, ny fiadiana ny ho […]

FANTINA sy FINTINA

Hisaotra ny vahoakan’i Faratsiho i Lalatiana Rakotondrazafy. Hanatanteraka hetsika sy lanonana ary fihaonambe any an-toerana ny tenany ny sabotsy ho avy izao. Hatao ao amin’ny kianjan’Anosilava izany. Handa­ha-teny amin’izany ny tenany ka anisan’ny teny fanevany ny: “Tsy misy fankahalana mandresy fitiavana”. Hana­fana ny hetsika ny tarika Rebika. Kandidà voalohany naneho […]

Fiaraha-miasa: nidera ny FFKM ny mpandrindra ny ONU

Nanao veloma ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny mpandrindra maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sa­nogo, omaly. Voatendry hiasa any Kameronina indray ny te­nany rehefa nahavita ny iraka nampanaovina azy nandritra ny efa-taona teto Madagasi­kara. Nankasitrahany, tamin’ izany, ny ezaka fanelanelanana sy ny famahana olana teto amin’ny firenena […]