Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena tao Tanambao Verrerie, Toamasina, ny alin’ny alahady 29 marsa 2026, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nanafika sy nanendaka olona mpandalo tany an-toerana ny andian-jiolahy nirongo antsy sy sabatra. Voaroba, tamin’izany, ny entana rehetra teny amin’ilay lasibatra. Mbola noratrain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra ihany koa ilay mpandalo. […]
Other News
Namonjy kabone vao maraina: mpianaka niara-maty voatsatoka antsy
Voafira antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray, omaly maraina, tao Marofinaritra. Voatsatoka antsy indroa ny zanany vavy. Vokany, maty avokoa izy mianaka. Nitrangana habibiana nataon’olon-tsy fantatra tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, kaominina Mananjary, omaly maraina. Niara-namoy ny ainy tamin’ny zanany vao dimy taona monja ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 43 […]
Trano Sary : Fampirantiana hampitana ny fitiavan-tanindrazana
«Tolom-panafahana: fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana». Io ny lohahevitry ny fampirantiana izay tontosaina etsy aminn’ny Trano Sary Ambohidahy, ho fanamarihana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Ankoatra ny fampahafantarana ny «Raharaha 47» sy ny manodidina azy, natao indrindra koa hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ ny taranaka aty aoriana. Sary sy tantara voafantina, hikoloana izay […]
Sarimihetsika : Nomem-boninahitra i Dadilahy
Mandalo raho-mainty ny fianakaviamben’ny sarimihetsika malagasy. Tena izy tokoa fa tsy sarimihetsika mantsy ny fodiamandrin’i Mamitiana Rakotoarisoa na i Dadilahy, araka ny fiantsoan’ireo namana sy ireo mpankafy azy. Nodimandry ny zoma lasa teo, teo amin’ny faha-57 taonany ity mpanao teatra sy mpilalao sarimihetsika ity, taorian’ny aretina tampoka nahazo azy. Nampandalovina […]
Ady totohondry : Nampitovy lenta ny mpanazatra
Ho fampitoviana lenta sy ny traikefan’ny Malagasy mpanazatra eo amin’ny taranja ady totohondry, nisy ny fampiofanana natao ny 28 ary 29 marsa teo, teny amin’ny INSPNMAD Ambaranjana. Fiofanana nomen’ny manampahaizana iraisam-pirenena kameroney, i Cyprien Tamou. Nanana izao finiavana izao ity manampahaizana ity ho fampivoarana ny ady totohondry eto Madagasikara. Mila […]






