Other News

Korea Atsimo : nihaona tamin’ireo diaspora ny filoha Rajoelina mivady

Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy amin’ny fanatrehana ny fihaonana an-tampon’i Korea-Afrika, ny 4-5 jona, nataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana ny fihaonana amin’ireo teratany na diaspora malagasy ao an-drenivohitr’i Korea Atsimo, Séoul, omaly. 40 mahery izy ireo ary mianatra ny ankamaroany. Eo ny momba ny tontolo iainana, ny asa vaventy, ny teknolojia… Samihafa […]

Fifidianana depiote : tsy mbola misy minisitra lany na tsy lany izany

Niteraka resabe na iniana hanaovana resabe ny mahakasika ireo kandidà solombavambahoaka ka efa nitazona ny toeran’ny minisitra. Mitovy amin’ny kandidà rehetra izy ireny, miandry ny voka-pifidianana. Misy ny tsara toerana toa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ao Fianarantsoa, Sahondrarimalala Marie Michelle. Toraka izany ny minisitry ny Mponina any Ambositra, Fomendraza. Ity […]

64 taona ny Fahaleovantena: hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity

« Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Io no teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena hankalazaina tsy ho ela izao, araka ny fanazavan’ireo komity mpanomana sy mpikarakara. Nampahafantarina oma­ly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Madagasikara izao. «Madagasikara […]

Teknolojia: dinihina ny fananganana ny ivontoerana ho an’ny IA

Tetikasa goavana. Tafidi­tra tao anatin’ny lahadinika nandritra ny hetsika « Gitex Afri­ca 2024 », natao tany Maroc, ny faran’ny herinandro teo, ny fananganana ny ivontoerana iraisam-pirenena momba ny Intelligence artificielle (IA), eto Madagasikara. Nisy ny fifanaovan-tsonia ha­nadihadiana ny fanatanterahana ny tetikasa. Hahafahan’i Madagasika­ra miditra eo amin’ny tsenan’ny teknolojia ity fifanarahana ity. Anisan’ireo miara-misalahy […]

Madagascar Airlines: hanampy isa ny fiaramanidina Q400 ny Cem’Air

Tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany isika izao. Vono­na hanome tanana ny kaompania Madagascar Airlines ny kaompania Cem’Air amin’ny sidina anatiny ataony. Hiara-hi­asa sy hampanofa ny fiaramanidina Q400 ho an’i Mada­gascar Airli­nes, nanomboka ny faran’ny herinandro teo ka ha­tramin’ny volana jolay, ity kaompania Afrikanina tatsimo ity. Hetsika izay tafiditra ao […]