Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana […]
Other News
Fihariana : ambany ny taham-pamokarana ronono eto Madagasikara
Manodidina ny 7 litatra isan’olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ronono raha toa fa tafakatra avo sivy heny izany any ivelany. Mbola ambany ihany koa ny famokarana izany eto amintsika Anisan’ireo firenana 49 mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny ronono i Madagasikara. Nisy ny hetsika nanamarihana izany, ny sabotsy teo, […]
Basikety – Mada N1A vehivavy: resin’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina
Nanomboka ny sabotsy teo, tao amin’ny Kianja mitafo Soavita Toamasina ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny basikety N1A, lehilahy sy vehivavy. Raha ny vokatra teo amin’ny andro faharoa, natao omaly, nisongadina ny fandresen’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina, ho an’ny vehivavy. Resin’izy ireo tamin’ ny isa, 66 no ho 46 ny tompon-jaridaina. […]
Rugby – «XXL Top 12»: nomontsanin’ny Tam Anosibe ny 3FB
Nitohy omaly, tetsy amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Nomontsanin’ny Tam Anosibe, tamin’ny isa mazava 34 no ho 18, ny 3FB ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nanjaka tokana ny Tam ary toy ny nanaovan’izy ireo fanazaran-tena fotsiny aza ireo mpifanandrina […]
DAKA AN-JORONY: tsy lava tanana hanakatra na avo feo hiantso
Na eo aza ny fiandrasan’ny rehetra ny valim-pifidianana izay ho solombavambahoaka, hifantoka any Afrika Atsimo kosa ny sain’ny besinimaro amin’ity herinandro ity. Afaka dimy andro, hiakatra kianja ny Barea de Madagascar, hiatrika ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Efa any an-toerana ny mpilalalao. Toy ny rafotsibe […]






