Other News

Fotoana hieritreretana

  Hafahafa ihany ho an’ny fitondrana ny vokatry ny fifidianana vonjimaika mivoaka, ankehitriny. Maro amin’ny faritra eto Madagasikara no mitarika ny avy amin’ny mpanohitra sy ny mahaleo tena. Any amin’ny laharana faharoa na fahatelo ny kandidà natolotry ny antoko sy ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika. 24 ora taorian’ny latsabato no […]

Fifidianana solombavambahoaka : maro no tsy ho lany, tsy tia mpamadika palitao ny mpifidy

Kandidà maromaro, nanana andraikitra teto amin’ny firenena no ratsy toerana amin’izao fifidianana depiote izao. Naloan’ny vahoaka izy ireo noho ny fivadihana palitao matetika. Misy sahady ireo kandidà ahina tsy ho lany avy hatrany raha manjohy ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany, ny kandidà Hajo Andrianainari­velo ao Avaradrano. Brunelle […]

TSELATRA

Voatazona eny anivon’ny zandary ny mpamily ilay karandalana nitera-doza tao amin’ny lalana mampitohy an’i Betioky sy Toliara, afakomaly. Nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy io fiara io, teo Sevala­va Besely, distrikan’i Betioky. Maty tsy tra-drano ny mpanampin’ny mpamily sy ny mpandeha iray. Ity farany izay voatsindrin’ny fiara. Olona telo hafa […]

Lasa niandry faty ny tompon-trano : nangalarin’ny jiolahy ny vary iray taonina

Noraisim-potsiny! Nohara­raotin’ny jiolahy nidirana ny tranon’ny tompon-trano iray tao Antsapanimahazo, distrikan’i Faratsiho, ny alin’ny 28 mey 2024 teo. Namonjy fiandrasam-paty ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Niditra antsokosoko tao an-trano ny jiolahy telo ka nangalatra ny vary 11 kitapo sy tapany. Efa niandry tsy lavitra teo akaikin’ny trano ny sarety iray. […]

Toamasina : tovolahy hita faty natsin­gevan’ny ranomasina

Natsingevan’ny ranomasina ny fatina lehilahy iray mangana teo amin’ny faritry ny tendany, tao amin’ny fokontany Depot IV, Toamasina, ny zoma lasa teo. Mpanjono maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’io olona io natsipitsipin’ny ranomasina teny amin’ny torapasika. Tsy nahitana taratasy nahafahana mamantatra azy teny amin’io hita faty io. Ahin’ny fokonolona ho […]