Hafaliana sy tebiteby no niainan’ireo Malagasy mpijery baolina tao Andohatapenaka, ny alarobia lasa teo. Tafavoaka mpandresy tao anaty ady sarotra ny Makis Ladies raha nifanandrina tamin’i Cameroun. Sambany teo amin’ny tantara! Tafita amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2025», taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, ny ekipa nasionaly Makis Ladies. […]
Other News
Vonjy voina eo anivon’ny CRM: miahy ny maha olona sy ny marefo ny mpilatsaka an-tsitrapo
Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora ny fidirana amin’ ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Anisan’ny sampana iray manatanteraka ny fanampiana ny olona marefo manerana ny Nosy ny mpamonjy voina, Croix Rouge malagasy. Tambajotra miahy ny maha olona sy ny marefo eto amin’ny Nosy ny sampana vonjy voina, Croix Rouge malagasy […]
TSELATRA
Zazavavy miisa roa hita faty tao Amparemahitsy, Mahajanga II, afakomaly. Mpanjono handeha hiasa no nahatsikaritra ny fisiana fatin’olona iray ka niantso ny manodidina. Ny tolakandro, zazavavy iray hafa manodidina ny 6 taona hita faty natsingevan’ny rano tsy lavitra ny toerana nahitana ilay zaza hitan’ny fokonolona vao maraina. Misokatra ny fanadihadiana. […]
Anosizato Andrefana : trano fivarotan-kazo nirehitra
Nitrangana haintrano indray teny Anosizato Andrefana, omaly hariva. Trano fivarotan-kazo ity nirehitra tampoka ity. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpiasa sy ny tompon-trano fa ny afo efa nirehitra no nahataitra ny rehetra. Raikitra teo ny fifanjevoana satria nijoalajoala ny afo narahina setroka maintibe nahazo tamin’ireo ampahan-kazo […]
Nalain’ny dahalo an-keriny : zazavavy 10 taona avotra
Tafaverin’ny mpitandro filaminana eny anivon’ny fianakaviany ny zazavavy iray 10 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Beteramahamay, distrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy tao an-tanàna niaraka tamin’ny omby am-polony io zaza io. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny vatan-dehilahy tao an-tànana. Nanatevin-daharana ny mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, nifanehatra tamin’ny mpanara-dia teny amin’ny moron’i […]






