Nihaona tamin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, omaly, ny ambasadaoro amerikanina. Nitarika ny delegasiona, ramatoa Claire Pierangelo. Fiarahabana sy firariantsoa noho ny fisahanana andraikitra vaovao amin’ny maha minisitra azy no tena vontoatin’ny fihaonana. Nambarany fa mpiara-miombon’antoka ara-miaramila hatrizay ny amerikanina sady manana tompon’andraikitry ny fiarovana […]
Other News
INDRAY MIJERY
Natao ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny fampianarana ambony mpisolo toerana, Pr Rakotozafy Rivo, sy ny tale vaovao, Dr Ramahazosoa Irrish Parker. Fanambin’ny tale vaovao ny hiantoka ny filaminan’ny fanadinana bakalorea, ny fandaminana ny fisoratana anarana. Manome toky ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny ny tenany. Nitsidika ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nandray ny valin-kasasarany avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) avy hatrany ireo nahazo ny amboara sy mari-pankasitrahana nandritra ny lalao « Telma Coupe 2023 ». Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, teny Isoraka, izany. Ny FMF izay manao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny baolina kitra malagasy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny seksiona […]
Moto- Mathias Plantive : nandresy tamin’ny dingana voalohany
Nanjakan’i Mathias Plantive ny fifaninanana nasionaly dingana voalohany “1ère manche”, taranja Moto cross, sokajy “Elite 1” izay notanterahina teny Ambohidava, ny alahady 28 janoary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany rehefa nahavita “tours” 12 tao anatin’ny 20 minitra, ka nahazoany isa 50. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida, […]
Tournoi Rugby à 7 : hifantenana izay handrafitra ny Makis
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 febroary ho avy izao, ny « Tournoi » ho an’ny rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy, sokajy sénior. Ho fanomanana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika izany ka hifantenana ireo izay handrafitra ny Makis de Madagascar, lahy sy vavy. Nambaran’ […]






