Other News

Kick-Boxing : mpitsara 12 nahazo mari-pankasitrahana

Mampitombo ny traikefany hatrany ireo Malagasy mpi­tsara sy mpanazatra eo amin’ ny taranja Kick Boxing. Ny herinandro lasa teo, nisitraka fampiofanana iraisam-pire­nena, notarihin’ilay renioney mpampiofana, i Marc Hoarau, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpianatra asa 20 mianadahy. Nanomboka ny alarobia 24 janoary ity fampiofanana ity ary nifarana ny zoma 26 […]

Telma Coupe de Madagascar: Voatazon’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny lelavola 15 tapitrisa Ar

Nifarana omaly ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara “Telma Coupe 2023”. Lavon’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 2 no ho 1 ny CFFA Andohara­nofotsy. Tsy niova tanana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Lasan’ny Elgeco Plus Analamanga izany, niaraka tamin’ny lelavola 15 tapitrisa Ar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 […]

TARATRY ny KANTO

Ho fanampiana ny olona voan’ny homamiadana. Tontosa omaly ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto maro tetsy amin’ny Ekar Antanimena, ny sabotsy teo. Nahitana an’i José sy Fiderana (Tarika Hasina), Vetsonkira, Malala (Tarika ‘Zay) ary Tanora feon’ny fiderana Nanganehana. Nindramina tamin’izany ny fihirana ny hiran’ny tarika “Les Surfs”. Nahatanteraka ny fifampiarahabana tratry ny […]

“Misy Mihaino”: seho mampiaina ny tantara an’onjampeo

Notanterahina tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, afakomaly, ny fampisehoana tantara fihaino sy ny tontolony, nampitondraina ny lohateny hoe : “Misy Mihaino?”. Hetsika nokarakarain’ny Faribolana Sandratra. Nahitana ireo mpandray anjara sy mpilalao fototra hafa ao anatin’ny tantara izany. Hita teny an-toerana ry Rabeari­manana Christophe, Nofy, Zo Maminirina, Niravo, Randria­na­toandro Sylivia, Hanja­rili­va… […]

Sehatra bagasy: hisy ny « Atrikefa fintina 2023 »

Nohatevenina ny hetsika « Sehatra Bagasy » febroary 2024. Hotanterahina ny sabotsy 3 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny IKM Antsahavola, ny « Atrikefa sehatra bagasy fintina 2023 ». « Hofintinina amin’ny alalan’ny sary sy feo voarindra ireo sahanasa 2023 notanterahin’ny  Sehatra bagasy  nandritra ny taona 2023 », hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ity […]