Vita omaly, ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe eny Mandroseza. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely, araka izany, ny famatsian-drano any amin’ireo toerana nisian’ny fahatapahana. Mampahatsiahy ny Jirama fa misy fiovany ny lokon’ny rano aorian’ny fahatapahana toy izao, ka tokony halefa elaela ny paompin-drano aloha. Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Sampandraharahan’ny ladoany eny amin’ny seranan’Ivato […]
Other News
RN1-Antanetimboahangy: miverina ny fifamoivoizana
Nihotsaka vokatry ny orambe ny tany nitaty ilay tetezana vonjimaika (pont modulaire), eo amin’ny PK 104+800 any amin’ny lalam-pirenena RN1, napetraka tany Antanetimboahangy Analavory, ny herinandro lasa teo. Tsy niandry ela, nidina tany an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny Vonjitaitra (DAU) ao minisiteran’ny Asa vaventy, ny sabotsy 20 janoary teo. Nohamafisina […]
Tetikasa « Ankohonana miarina »: natomboka any Itasy ny fizarana tany hamokarana
Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy. Nosantarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nambarany fa «mahantra ny Malagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana». Mirefy 53 […]
Antehiroka : lehilahy iray hita faty tao anaty tanimbary
Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tanimbary anatin’ny fokontany Ankadivory, kaominina ambanivohitra Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Nampandre ny vaovao tany amin’ny polisy miasa eny an-toerana avy hatrany ny sefo fokontany, fa misy lehilahy iray tsy nisy aina intsony, natsingevan’ny rano teny amin’io an-tanimbary io. Nidina nijery ny zava-nisy avy hatrany ny polisy, […]
Nanafika Cash point : Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy
Jiolahy roa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy sabatra ary antsy avy nanafika Cash point no lavon’ny balan’ny polisy tao Antaravay Toliara, ny zoma teo. Naharay fitarainana ny polisy ao Antaravay miasa eo amin’ny sakana Antsokobory, ny zoma hariva, fa misy vehivavy iray tompona Cash point ao Anketa norobain’ny jiolahy telo […]






