Mitaraina ireo vondron’ny mpanjono ao Toamasina, fa mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka (corail). Sokajiana ho anisan’ny karazam-biby anaty ranomasina, ny «corail», saingy manana endrika vato. Nambaran’izy ireo fa mahatratra hatrany amin’ny 10 taonina isan’andro io akorandriaka alain’ny olona io, izay amidy eny an-tsena. Manaitra ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Jono Atsinanana […]
Other News
Tsy maika…tsy tara
Manomboka ny ady toerana eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny. Efa mibosesika eny amin’ny biraom-panjakana ny olona. Tsy misy tany iainana ny minisitra amin’ny fandraisana ny mpitsidika, izay sady mirary soa no mikajy anjara “mofomamy”. Ny fifamindram-pahefana no ela dia efa manomboka ny ankisisika sy ny fifaminganana. Eo indrindra no tiana […]
Tsena : hotsirihina isan’andro ny vidin’entana
Hitsirika ny vidin’entana eny an-tsena, isan’andro, ny kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra sy ny fanjifana. Hojerena manokana ny fampiharana ny lalàna sy fanajana ny fitsipika mifehy ny varotra sy ny vidin’entana, isorohana ny fanararaotana. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny sehatry ny varotra hitsinjovana ny mpiara-belona sy ialana amin’ny fanararaotana. Noho izany, […]
TSELATRA
Takalonaina miisa efatra nentin’ny dahalo, tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, distrikan’Antsahalova, ny alin’ny 16 janoary teo. Mbola tsy nisy tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ireo olona ireo. Raim-pianakaviana iray hafa koa nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ ny fokontany Mahazoarivo, anatin’io distrika io ihany. Zazavavy folo taona naolan’ny sakaizan’ny mpampianatra nitaiza azy, tao […]
efa namono olona valo : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka
Mahazo vahana indray, tato ho ato, ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny faritra Atsinanana. Ny alatsinainy 15 janoary 2024 teo, telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’iny lalam-pirenena faha-11A iny. Omaly, jiolahy iray indray no niharan’izany tao Tanambao Verrerie Toamasina, raha roa hafa naratra mafy tao Ankirihiry. Avotra izy roa lahy ireto satria haingana […]







