Mahafaty ny tsy fahampiana siramamy: Mpitaona rano namoy ny ainy an-dalana teny Ivato

Mila mitandrina! Mahafaty tampoka ny tsy fahampian’ny siramamy amin’ny vatana fa tsy ny tosidra sy ny fijanonan’ny fo ihany. Raim-pianakaviana iray no lasibatra teny amin’ny tsenan’Ivato, afakomaly alina. Mpitaona rano tratran’ny havizanana diso tafahoatra izy.

Lehilahy 53 taona, hita faty tao amin’ny tsenan’ Ivato, afakomaly 28 septambra 2026, tamin’ny 07 ora sy 30 minitra hariva. Hita tao amin’ny toerana antsoina hoe “Bas quartier », 2 km atsimon’ny zana-tobim-paritra Anka­dindravola ny razana. Nam­pandre ny zandary ny mponina rehefa nahita izany. Nijery ny zava-misy sy nanao ny fa­nadihadiana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny to­bim-paritra Talamaty sy Anka­dindravola taorian’izay. Tonga teny an-toerana koa ny mpitsabo avy ao amin’ny CSBII Ivato. Tsy nahitana ratra tamin’ny vatan’ny maty. Vokatry ny tsy fahampiana siramamy “hypoglycémie” ny nahafaty azy, raha ny fizahana nataon’ ny mpitsabo. Tombanana ho adiny roa mialoha ny nahafatesany, izany hoe, tany amin’ny 05 ora sy 30 mn hariva tany ho any.

Mpaka rano

« Mpikarama mitaona rano eny an-toerana io lehilahy io », hoy ny olona eny amin’ny manodidina rehefa nanontaniana. Ankoatra izany, mbola hitan’ny mponina nirenireny sy nisotro toaka tany an-tsena izy ny andron’ny alatsinainy, tamin’ny 12 ora atoandro. Tazana nitsilany sy natoritory teo ambony tohatry ny toeram-pivarotana zava-pisotro iray izy avy eo. Tsy nihetsika intsony anefa ary tsy nisy aina intsony rehefa nojerena sy notsapaina. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Mitohy ny fanadihadiana izay sahanin’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola.

Mino

Partager sur: