Other News

Fanatsarana ny voka-bary : mahomby ny teknika P-dipping

Haingana kokoa ny fiakaran’ny voka-bary azo avy amin’ny teknika P-dipping entin’ny Papriz, natao tao Betsimitatatra, raha oharina amin’ny teknika nentim-paharazana. Mitombo ny vokatra, mihena, manaraka izay koa, ny fahasimban’ny vary vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miompana amin’ny fampiasana zezika TSP, izay akora fototra entina hanatsarana ny voka-bary any amin’ny tany manta […]

INDRAY MIJERY

Tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’ny Nosy, noho ny fisian’ilay rivodoza Belal ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Nandefa filazana fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanan-kery hatramin’ny rahampitso ny fampitandremana. Nisitraka “subvention” roa volana, fahadimy sy fahenina, tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 sy roa volana […]

Basikety 3×3 : nahazo mpandrindra tsirairay ny ligy 21

Ho fampiroboroboana ny taranja basikety 3×3 eto Madagasikara, nasiana mpandrindra tsirairay ny ligim-paritra manerana ny Nosy miisa 21, amin’ity taranja ity. Andraikitra maro ny miandry ireo tomponandraikitra voatendry ireto, taorian’ny fiofanana izay noratoviny. Tsiahivina fa niatrika fiofanana nampitain-davitra izy 21 mianadahy voatendry ireo, tamin’ilay tetikasa “Se la rue vers…l’or”. Mbola […]

Resampa André Haja : Voatendry fanindroany ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena

Anisan’ny minisitra mbola voatazona ao anatin’ny governemanta malagasy, ny minisitra Resampa André Haja, misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy niova fa voatendry fanindroany indray hisahana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, araka ny fanendrena natao teny amin’ny Lapan’Iavoloha, omaly 14 janoary. Mbola nametraka fitokisana taminy ny […]