Other News

Mpikamban’ny governemanta : Miisa 12 ireo minisitra vaovao

Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian. Miisa 27 ireo minisitra amin’izany ka vaovao ny 12 amin’izy ireo. Anisan’ireo minisitra vaovao, ny misahana ny Foloalindahy, ny Jly Sahavelo Monja Delphin. Efa lehiben’ny etamazaoro, teo aloha. Hisahana ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata. Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana 45 taona maty voatsatotsatok’antsy tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, ny sabotsy 13 janoary teo. Matetika manan-draharaha eny amin’ny fitsarana nateraky ny ady tany ity namoy ny ainy ity sy ilay olona nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fifamonoana io olana io. Ankizy 13 taona nalain’ny mpaka an-keriny ka natakalo lelavola 1 200 000 […]

Sahamatevina Vatomandry : telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao Andasiben’ Antsampanana, omaly, ary maty tamin’ izany ny dahalo telo lahy izay avy any Mandoto, distrikan’ Antsirabe, sy Antananarivo, raha ny angom-baovao avy any Sahamatevina. Nandritra ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny ben’ny Tanànan’ i Sahamatevina, Radimby Voro Dénis, no nambarany fa andian-jiolahy maromaro izy ireo ary […]

Andohanilakaka : amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa Ar ny voamaso

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tao Andohanilakaka ny dimy lahy nivarotra voamaso, afakomaly. “Amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa ha­tramin’ny 120 tapitrisa Ar ny voasamaso, araka ny fanadihadiana natao azy”, hoy ny fanazavan’ny Talem-paritry ny polisim-pirenena Ihosy, omaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa misy olona mitady mpividy voamaso tao amin’ny tanànan’Ana­la­mahavelona, […]