Hiverina an-dakilasy ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka ny alatsinainy izao, hanohy ny roa volana fahatelo. Herin’ny taom-pianarana ny roa volana fahatelo sy fahefatra, hoy ny mpanabe ka mila mifantoka tsara ny mpianatra. Eo no mamita ny lesona anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa fizarana no atao betsaka ho […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Fampiaraham-peo miavaka no hisantatra ny sehatry ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hifampizara sehatra amin’izany i Bebey sy Benny ary i Nini. Tsy zovina amin’ny mpankafy azy ny seho sy ny mozikan’ireto mpahay kanto mpihira ireto. Vonona ny mpikarakara sy ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy azy […]
Musée de la Photographie: misy ny fampahafantarana ny « Ringa »
Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Lutteurs Bara ». Seho ranty ahitana sary pika miisa 15 izy ity. Mampiseho ny mpiangaly ny haiady fanao tany amin’ny foko Bara, tany amin’ny taona 1938 hatramin’ny 1965. Tohin’ny hetsika « Voyage en pays Bara et Vezo » ity atao ity […]
Kalon’ny fahiny : mitondra fahendrena ho an’ny mpihaino ny tononkira
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza. Anisan’ny nodinihina, nandritra izany, ny mahakasika ny « fanahy ao amin’ny kalo fahiny sy ny hiran’ny omaly ». Lohahevitra nentin-dRanaivoson Lucien, avy ao amin’ny Radio Feon’Imerina. Hamaritana ny kalon’ny fahiny ireo hira natao tao anaty teatra. Misy hifandraisany amin’ny tantara […]
Noho ny teknolojia: Sarona tanteraka ny kanto
Feo mibarareoka, ahitsy amin’ny fitaovana. Fitendrena zavamaneno tsy mandeha amin’izay hozany, fenoina amin’ny fitaovana… Mbola ny tontolon’ny hira ihany ireo. Misy ny sary sokitra, ny asa tanana, sns. Mandroso be ny teknolojia ka afaka mifehy zavatra maro ny olon-drehetra. Izany hoe, na tsy mifanitsy amin’ny talentan’ny tsirairay aza ny kanto […]







