Nitombo 228 ny olona tonga nozaham-pahasalamana teny amin’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny andron’ny taombaovao. Ho an’ny sampana vonjy aina manokana, tsy maintsy nampidirina hopitaly ny 46 tamin’izy ireo. 2 kosa ny maty. Roa ihany koa ireo razana avy any ivelany nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. […]
Other News
Ravalomanana Marc: « Hotohizana ny tolona »
“Hanohizana ny tolom-panafahana ny taona 2024. Mila sahy sy mijoro isika rehetra mba hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena. Tsy hanaiky ny fametrahana ny jadona sy ny fitondrana tsy rafesi-mandidy isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, teny Faravohitra, omaly. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko ny tenany. Niantso […]
INDRAY MIJERY
Nosokafana avy hatrany ny « Centre de coordination opérationnel » miasa andro sy alina, mandrindra ny fitantanana sy fanaraha-maso ny tranga amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Efa an-dalana mihazo an’i Morombe ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka, mitondra ny fitaovana samihafa toy ny moto pompe, sns. Olona 100 no […]
VAOVAO TAMBATRA
Hosoloina ny fantson-drano eto an-drenivohitra, izay efa antitra sy simba ny ankamaroany. Io no anisan’ny fanambin’ny filoha Rajoelina, hamahana ny tsy fahampian’ny famatsian-drano, saika manerana ny toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny atoandro sy ny alina. Tapaka ny lalam-pirenena RN4, ny 28 desambra hatramin’ny 4 janoary izao, manomboka […]
Zam Ambohidratrimo: Taonan’ny fampandrosoana ny 2024
Nentin’ny fikambanana Zanak’Ambohidratrimo Marovatana (Zam) namarana ny taona 2023 ny fitetezana ireo fokontany sivy ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Tsy antoko politika ity fikambanana ity fa raisiny ho taonan’ny fampandrosoana ny taona 2024. Nisy ny fihaonana sy ny tafatafa niarahan’ny filohany, Rabary Hery, tamin’ny raiamandreny tao amin’ny sakeli-tanin’Ambohitara, ny fokontany Ambovo, […]







