Hizara ny fahaiza-manaony momba ny tao sary i Eric Arnaud. Hotanterahina eny amin’ny Academie nationale des arts et de la culture (ANAC), Anosy izany, manomboka ny 13 janoary 2024. Hampahafantarina sy ho halalinina mandritra izany ny fahalalana fototry ny fanaovana sary. Tanjona ny hahamatihanina sy hampiroboroboina ny fanaovana sary. Hanosehana […]
Other News
Taona 2024: hanomboka febroary ny hetsika “Sehatra Ba gasy”
Rehefa voatery niato kely teny antsefantsefam-potoana… Fantatra, araka ny nambaran’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Ba Gasy, fa hiverina manomboka ny volana febroary 2024 ny hira sy kalo eo anivon’ity vondrona ity. Tsy hisy fiovana ny toerana sy ny fotoana. Isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana, manomboka amin’ny 2 ora sy […]
Fampandrosoana ny haikanto: tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ara-javakanto ny Malagasy
Somary mandeha ila ny haikanto eto Madagasikara. Maro ny mpahay kanto. Betsaka ny vokatra saingy vitsy ny mankafy sy manjifa. Misy fiantraikany ratsy amin’ny mpanakanto izany. Mihamaro hatrany ny ivontoerana fandalinana sy fampiroboroboana ny haikanto. Manaraka izany ny fitomboan’ny mpahay kanto vokatry ny famohazana ny talentan’izy ireo amin’ny toerana voatokana […]
VAOVAO TAMBATRA
Nigadona ao Mahajanga ny sambo lehibe Hebridean Sky mitondra mpizahatany. Fahatongavana fahadimy ao an-toerana izy ity ary aman-jatony ny mpiondrana izay teratany amerikanina sy anglisy ny ankamaroany. Andrasana ao an-toerana, anio, kosa ny sambo lehibe iray Jacques Cartier, mitondra mpitsangantsangana miisa 113. Tsy mandoa haba nanomboka ny 25 desambra teo, […]
Raharaha vary simba : olona fito naiditra am-ponja vonjimaika
Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajanga ireo olona fito voarohirohy tamin’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasaringotra tamin’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana […]







