Other News

Taratry ny kanto

Hanakatonana ny taona, hanatanteraka antsa malalaka ireo mpanoratra sady mpiantsa tononkalo. Hetsika ho an’ny literatiora, hotanterahina ny alahady 31 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny « park botanique » Tsimbazaza. Asaina avokoa ireo tia miantsa, manoratra, mihaino ary miaina ao anaty tononkalo, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Mbola sarotra ho an’ny […]

Andriarimanjaka Dina Nomena: « Nampivelatra ny fanatontosana ny ranty… »

Hifarana ny 31 desambra 2023 ny fampirantiana « A la recherche de Betia », tontosain’ Andriarimanjaka Dina Nomena, eny amin’ny Fondation H Ambatomena. « Nitondra vokatsoa maro teo amin’ny maha mpahay kanto ahy ny nandraisana anjara tamin’ny fifaninanana « Prix Paritana », indrindra ny nanatontosana ity fampirantiana ity », hoy Andriarimanjaka Dina Nomena, anisan’ny mpandresin’ny […]

« Bibliothèques Mobiles »: tanjona ny hanentanana ny ankizy ho tia vaky boky

Ny mpamaky boky tao amin’ny « Bibliothèque communautaire Ambohimandroso » indray no nandray ny « Bibliothèques Mobiles », omaly. Tetikasa iarahan’ny Ressources éducatives Madagascar sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fikambanana « Kianjan’ny Ankizy ». Tanjona ny hanentanana ny ankizy ho tia vaky boky ka hamerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana. […]

Fiverenana eny ifotony: mila ampitomboina ny fahalalan’ny Malagasy

Firenena anisan’ny manana fahalalana voajanahary maro i Madagasikara sy ny Malagasy monina ao aminy. Misy amin’izy ireny no niova endrika… Niova zavatra hafa mihitsy aza taty aoriana ! Firenena niaina tao anatin’ny lamina voajanahary ny Malagasy. Ny voajanahary na ny zavaboahary no namolavola ny maha izy azy manontolo. Iray amin’ireny ny […]

Aza amosavina !

Raha atao indray mijery dia hita fa kofona ilay vahoaka malagasy amin’ny lafiny sosialy. Tafahoatra ary tsy azo atao ny mitazam-potsiny ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena. Ny hanongontsongoina ny maty rahateo dia ny tahotra ny handevim-belona. Sintonina dieny vao mandray fiaingana indray ny lamasinina haingam-pandeha. Tsy maintsy sorohina […]