Nifindra ao amin’ny klioban’ny Inter Miami FC, any Etats-Unis, i Luis Suarez, Orogoay mpilalao baolina kitra. Araka izany, miisa efatra izy ireo no mpilalaon’ny FC Barcelone, klioba espaniola nifindra ao amin’ity ekipa amerikanina ity. Hiverina hiaraka hilalao indray izany i Messi, i Suarez, i Sergio Busquet ary i Jordi Alba. […]
Other News
“Grand Open ABMI”: miisa 149 ireo ekipa nandray anjara
Notanterahina teny amin’ny Boulodrome Para Ivato, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana “Grand Open ABMI”, taranja tsipy kanetibe. Nahatratra 149 ny isan’ireo ekipa nandray anjara tamin’izany. Nataon’ny Club amical bouliste Mandrosoa Ivato (ABMI) ho fahatsiarovana an’itompokolahy jeneraly Rarivomanana Tahiry, ity fifanintsanana ity, ary mba ho fanomezana sehatra ireo olona rehetra […]
Can 2024: voatendry hitsara lalao i Dimbiniaina
Navoakan’ny vaomieran’ny mpitsara baolina eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), omaly talata, ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena “Can 2024”. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire, manomboka ny 13 janoary ho avy izao. Anisan’ireo manana solontena amin’izany ny Malagasy na tsy mandray anjara […]
Indray mijery
Hitoetra amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, amin’ny ankapobeny, ny oram-baratra ary hiitatra saika manerana ny Nosy izany, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Hisy fidinana ny maripana farany ambony ho an’ny afovoantany sy any atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Anisan’ny mety hahatonga fahapoizinana ara-tsakafo ny menaka. Hisorohana izany, tsy azo ampiasaina […]
Taratry ny kanto
Ny 9 sy 10 ary 11 marsa 2024 izao no hankalazana ny Taom-baovao malagasy. Ho an’io taona mitsidika io, anisan’ny zava-dehibe sy manana ny lanjany ny fahafahan’ny tsirairay mankalaza izany isan-tokantrano, na faritra na toerana. Tsy vitsy rahateo ireo efa mahalala ny fomba tokony hotanterahina amin’izany : harendrina, afo tsy maty, […]







