Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tetsy Anosy, omaly fa hatao ny fifidianana ary efa navoaka ny tetiandro momba izany, miaraka amin’ny lalàna. “Efa miditra amin’izany isika izao. Manamafy izany fa miroso isika ary mandray ny andraikiny ny Ceni sy ny goveremanta ahatongavana amin’ny fifidianana madio”, hoy izy. Notateriny koa ny dinika […]
Other News
INDRAY MIJERY
Ho maina tanteraka ny andro amin’ny faritra rehetra manomboka rahampitso, araka ny voalazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hiverina hiakatra miandalana ny maripana manomboka anio. Nahitana fahatsarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo satria manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Ho fanohanana ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana […]
Seho sehatra ho an’ny tanora: nifarana ny hetsika, nalai-nisaraka ny mpandray anjara
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho sehatra ho an’ny tanora ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara, ity. Telo andro no nanatanterahina ny hetsika saingy feno firaisan-kina sy firahalahiana tokoa ny fifandraisan’ireo tanora mpandray anjara. Niray feo ireo tanora nanambara fa tombony lehibe […]
Atletisma: noporofoin’i Sidonie ny maha andrarezina azy
Na tsy salama aza i Sidonie Fiadanantsoa, mbola norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 100 m misy fefy, vehivavy, taranja atletisma. Andro faharoa notanterahina omaly alarobia, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tontosany, tao anatin’ny 13 s 14 ampahazatony izany. Nifampitady hatrany am-piaingana izy sy ilay rénionais, i Esther Conde Turpin, tonga […]
Volley : nandresy ny Réunionais ny Malagasy
Nangotraka ny fifaninanana volley, teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, omaly. Nampitsanga-mitoetra ny lalaon’i Madagasikara sy La Réunion, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Seta 3 no ho 1 no nandresen’ny ekipa malagasy ny Réunionais, rehefa samy niady mafy ny ekipa roa tonta. Azon’ny Malagasy ny seta voalohany, 25-19, nitsimbadika anefa ny […]






