Miditra tsikelikely amin’ny fampidirana ny volamena eto Madagasikara ho azo aondrana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanjakana. Fepetra telo no hamaritana ny sandan’ny volamena ara-bola. Voalohany, miankina amin’ny fahadiovan’ny volamena (manodidina ny 99,99%), araka ny fepetra takian’ny tsena iraisam-pirenena mifehy ny volamena, ny London Bullion market Association (LBMA). Faharoa, miankina […]
Other News
Fampandrosoana : natsangana ny drafitra ho an’ny 2024-2028
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny rafitry ny firenena mikambana eto Madagasikara. Manamafy izany ny drafitra vaovao momban’ny fampandrosoana lovainjafy na ny « UNSDCF 2024-2028 » izay natao sonia, tetsy amin’ny Carlton, omaly. Nisolo tena ny fanjakana malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao tsy ho ela ny fifidianana ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Omnis (Ofisim-pirenena misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika. Efa voatendry ny herinandro lasa teo ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanana (CA), ahitana solontena avy amin’ny minisitera voakasika sy ny mpiasa. Tapitra ny desambra 2022 teo ny fe-potoana […]
Hotely mandray delegasion’ny lalaon’ny Nosy : voaloa ny 70%-n’ny volan’ny mpiara-miasa
Voaefa manontolo ny 70%, volan’ireo trano fandraisam-bahiny mampiantrano ny delegasiona sy ny mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy. Miandry ny fotoana handoavana sy handraisana izany kosa ireo 30% hafa. Manome aina ny sehatry ny toekarena malagasy, indrindra mampidi-bola ho an’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fizahantany ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy eto […]
INDRAY MIJERY
Niara-nidinika ny fandrosoan’ny asa voarakitra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny ady atao amin’ ny fampanambadiana ankizy eto Madagasikara ny delegasionin’ny firaisambe Afrikanina sy ireo mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny ankizy. Tanjona ny hanamafy orina ny fanatanterahana ny asa voafaritra ao anatin’ny paikady. Manaraka fihofanana momba ny ady amin’ny herisetra sy fandraisana an-tanana […]






