Other News

INDRAY MIJERY

Namoaka filazana ny oniversiten’i Fianarantsoa fa hitsahatra ao anatin’ny 15 andro ny fampianarana, mba hahafahan’ireo tanora mihanoka ny lalaon’ny Nosy sy mandray anjara amin’izany am-pilaminana eto Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra teo io fiatoan’ny fampianarana vonjimaika io. Maimaimpoana ny fanaovana « échographie obstétricale » ho an’ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ao amin’ny INSPC […]

Seho sehatra ho an’ny tanora: « Tsy ampy ny fotoana… », hoy ny mpandray anjara

Mitohy mifanindry an-dalana amin’ireo fifaninanana ara-panatanjahantena, ato anatin’izao lalaon’ny Nosy izao ihany koa ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora. Tsy nahasakana ireo tanora mandray anjara amin’ity taranja iray ity ny fahasamihafana eo amin’ny maha izy ny nosy tsirairay. “Tsy ampy ny fotoana hifampizarana sy hifanakalozana eo amin’ny samy tanora” hoy […]

Atletisma: mpanjakan’ny hafainganam- pandeha i Claudine

Norombahin’i Nomenjana­hary Claudine ny volamena, teo amin’ny halavirana 100 m tsotra, vehivavy. Azony nandritry ny famaranana natao omaly talata, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tsy nisy naharaka azy ireo mpifanandrina taminy. Vao teo am-piaingana dia efa hita nisongadina i Claudine. Tontosany tao anatin’ny 11 s 42 ampahazatony ny hazakazany. “Faly satria […]

Kitra – Barea de Madagascar: tapitra hatreo ny lalaon’ny Nosy ho an’i Fabien Boyer

Nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny kaomisionina misahana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja baolina kitra. Tsy afaka manohy ny fifaninanana i Fabien Boyer. Taorian’ny antsapaka ho an’ny manasa-dalan’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny taranja baolina kitra, nisy ny fivoriana nataon’ireo kaomisionina miandraikitra ny baolina kitra, tetsy amin’ny kianja Barea […]