Mampahafantatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa foana ny tsenan’i Mahamasina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao ka ilazana ireo mpivarotra rehetra. Antony, anisan’ny hiatrehana ny lalaon’ny Nosy ny kianja Barea etsy Mahamasina sy ny manodidina azy. Miverina amin’ny laoniny izany, ny 7 septambra. Iandraiketan’ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazana sy ny […]
Other News
Hisorohana ny lozam-pifamoivoizana: hanamafy ny fidinana ifotony ny tomponandraikitra
Nanatanteraka fivoriana vonjimaika ireo tomponandraikitra sy mpiara-miombon’antoka misahana ny fifamoivoizana eto Madagasikara, omaly. Voalaza nandritra izany ny fepetra tokony ho raisina sy handrindrana ny asa rehetra hisorohana ny loza eny amin’ny lalam-pirenena samihafa. Hanamafy ny fidinana eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy ireo tomponandraikitra voakasik’izany. “Hotsirihana avokoa ny […]
Fitaterana an-tariby: tafapetrana ny pylône avo indrina maneran-tany
Mitohy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy fanatsarana ny fitaterana eto amintsika. Goavana sy anisan’ny moderina indrindra eto Madagasikara ny fanaovana ny fitaterana an-tariby. Ampiasana fampitaovana lehibe ireo gara sy pylônes izay hametrahana ny fotodrafitrasa. Araka izany, tafapetraka ao Tsaralalana ny pylône monofut, P 05 avo indrindra maneran-tany. Mirefy 49m izany […]
Oratsimba: Tsy voafehy ny teknikam-panondranana
Ambony ny taham-pahafatesan’ny oratsimba eto Madagasikara noho ny tsy fahafehazana ny teknikam-panondranana. Maro ny fepetra arahina momban’ny lalànan’ny fanondranana ity hazandrano ity eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Oratsimba velona no ahondrana, mitombo avo 5 na 10 heny amin’ny oratsimba nampangatsiahana ny vidin’izany. Tonga tao Ankeliky, kaominina Belo, faritra Menabe, ny tomponandraikitry […]
Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany
Fotoana hampiakatra avo ny toekarena malagasy sy ny fizahantany eto an-toerana ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana hatao eto Madagasikara. Manana ny paikady hanatanterahana izany ny tomponandraikitra samihafa. Hetsika goavana sady anisan’ny handrasan’ny mpiantsehatra isan-karazany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI), andiany faha-11, izay hatao eto Madagasikara […]






