Teny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ny lohany, nihantona teny amin’ny toerana avo anaty kirihitra ny vatan’ny zazalahy iray, tetsy Anosy, omaly maraina. Mpandalo no nahita ny lohan’ny zaza. Hatairana, nitangorona vetivety teo ireo manodidina. Efa potika ilay vatana mangatsiakan’ny zaza rehefa nozahana. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray voadonan’ny fiara […]
Other News
Ambolokandrina : Jiolahy tratra teo am-pamelomana moto anaty garazy
Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly misasakalina, teny Ambolokandrina, ny jiolahy raindahiny amina halatra. Voarohirohy ho nangalatra tao amina garazy iray eny an-toerana izy. Roa lahy izy ireo no niditra tao amin’ity garazy fitoerana moto an’olona iray mipetraka eny Ambolokandrina ity. Henon’ny tompon-trano anefa izy roa […]
Fanararaotana : tratra ilay nanolana zazavavy 13 taona
Nihidy aman-trano, voatery namoha an-keriny ny trano fonenan’ny lehilahy iray ny renim-pianakaviana tao Amboasary, fokontany Andratsiolona, kaominina Andilana avaratra, distrikan’ Amparafaravola, ny sabotsy teo, tamin’ny 3 ora folakandro. Niasa ivelan’ny tanàna ny ray aman-drenin’ny zazavavy, 13 taona, tsy salama saina sady moana. Noho io fahasembanany io, tsy manaraka ireo lehibe niasa […]
Olona tapa-doha : hatao sorona, hakana fahefana
Trangam-piarahamonina nampihoro-koditra tato ho ato ny fanapahan-doha. “Sorona ho fikatsaham-pahefana sy vola no voalaza fa anton’izany”, hoy ny zandarimariam-pirenena. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny iray raha toa ka mbola hanaovana fanadihadiana lalina ny roa hafa, voasaringotra amin’ny fanapahan-doha ao Ihosy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana, omaly. Ny […]






