Anisan’ny singa iray andrefesana ny fampandrosoana ny herinaratra misy eo amin’ny firenena iray. Eto Madagasikara, mbola ny herinaratra mandeha amin’ny solika mavesatra ny 60 %. Hatramin’izay, ny tinady amin’ny herinaratra no betsaka no ho ny tolotra eto Madagasikara, indrindra fa any ambanivohitra. Vahaolana, ny famokarana angovo azo havaozina, saingy mbola ambany loatra. 15% […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ireo filoham-pirenena momba ny “Capital humain en Afrique”, any Tanzania, nanomboka omaly ary hifarana anio, ny filoha Andry Rajoelina. Handaha-teny momba ny “Fampandrosoana ny traikefan’ny tanora hiantohana ny ahafahan’izy ireo miasa” izy, anio. Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-67 taonany i Seva Ambony Simon. Tale jeneralin’ny ORTM teo […]
Rakotomanana Honoré : “Ara-dalàna ny didy momba ny anto-bola firotsahan-kofidina”
“Tsy afa-manafoana ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny filankevitry ny minisitra. Samy manana ny azy… “, hoy ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotomanana Honoré, momba ny didy navoakan’ny governemanta fa 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy voatery handalo eny amin’ny Antenimierampirenena ny fanapahana izany, araka ny fampifangaroan’ny mpanao politika sasany. Marina fa […]
Tsy mbola misara-nono !
Tonga amin’izany tanàna indray ry zalahy vahiny ! Toa tompon-tanàna fa tsy mba mpitsidika tsotra intsony. Tena lasa mpisehatra fototra amin’ny raharaha politika eto Madagasikara. Tsy misy fotoana mba hahafahan’ilay firenena miana-mandeha. Zary tantanan-dava amin’izay atao. Hambenana toa zazakely. Tsy afa-mikofoka fa voabetroka lava na voapempo vao miana-kendry hikopa-kelatra. Mahatonga […]
Fihaonana amin’ireo mpanao politika : maka hevitra momba ny fifidianana ny Sadc
Efa eto an-toerana haka hevitra amin’ireo mpisehatra politika, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao, ny Sadc. Hanao tombana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo amin’izany. Hitohy anio hatramin’ny 1 aogositra ny fandraisan’ny Sadc ireo mpanao politika. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo ny eo anivon’ny MMM, tamin’ny alalan’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, tetsy Antaninarenina. Voatsikera […]






