Other News

Miandry voandalana tsara !

Any Lafrantsa indray ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Tsy re tsaika ny fiaingany. Tsy mba nolazaina mialoha, toy ny mahazatra ny fandaharam-potoanany, raha tsy efa any an-toerana izy. Na izany na tsy izany, zava-dehibe ho an’ny hoavin’i Madaga­sikara sy ny tontolo politika no nandehanany any. Tsy azo tsinon­tsi­noavina rahateo ny fifandraisana […]

Filoha Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron: manohana ny fifidianana demokratika i Frantsa

Notanterahina tao amin’ny lapan’i Elysée, omaly, tany Frantsa, ny fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Nivoitra tamin’izany ny fahavononaan’i Frantsa hanohana ny fifidianana hatao eto amintsika. Nohamafisin’ny fanambarana tamin’ny fihaonana fa vonona ny Frantsay hanohana ny ezaka ataontsika amin’ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara ary demokratika. […]

Ravan’ny alika mpitsongodia… : tratra ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina

Ravan’ny zandary tamin’ny alalan’i Matt (alika mpitsongodia an’ny zandarimaria) ireo tambajotrana mpivarotra rongony eny Morondava/Antehiroka. Tokantranona raim-pianakaviana iray 64 taona no na­naovan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka sy ny ekipan’ny CRFDC Ivato nitondra an’i Matt, mpitily manokana momba ny zava-mahadomelina, fisavana sy fidinana ifotony. Taorian’ny fisavana ny trano sy ny manodidina no nahatrarana taratasy famonosana rongony hamidy […]

Ambodivona : mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy

Roa lahy mpanao sinto-mahery eny amin’ny manodidina an’Ambodivona voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny CSP3 afakomaly. Olon-tsotra hamonjy fodiana any amin’ny faritra no tsikaritr’ireto olon-dratsy ireto nitondra enta-mavesatra. Narahin’izy ireo moramora avy aoriana, nalatsany tao afovoany ka lasa ny finday. Tetsy ankilany, efa nahita azy mirahalahy ny polisy ka nanaraka azy […]

Nogiazana : olona 10 nahatrarana paraky gasy 874 kg

Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny tompony tao anaty fiara, paraky gasy 874 kilao saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Miarinarivo, kaominina ambanivohitra Andranomamy, ny alarobia 7 jona lasa teo. Naharay loharanom-baovao avy tamina tsara sitrapo, misy fiara mpitatitra iray voalaza fa nitondra ireo entana ireo niala avy ao Tanambe Amba­­tondrazaka hihazo an’Andranofasika. Niandry kendry tohina […]