Other News

Antohomadinika : mpianaka mpanaparitaka rôrô

Noraisim-potsiny! Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ireo tanora mandray zava-mahadomelina eny Antohomadinika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny polisy manao fanamaniana sivily avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67ha teny an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa mpianaka no anisan’ny mpanaparitaka roro ao Antohomadi­nika atsimo. Tratra teo am-panaovana […]

Iles Eparses : hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana i Rosia

Fiaraha-miasa sy fifandraisana efa ampolo taonany maro ny misy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara. Tontosa, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, eny Ana­la­mahitsy, ny fankalazana ny andron’i Rosia. Fotoana natao hahatsiarovana ny na­nambarana ny fiandrianam-pirenen’ny Rosianina ny 12 jona. Manampahefana maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana tamin’izany lanonana izany. […]

Havàtsa-UPEM : mitohy ny atrikasa momba ny tantara foronina

Tontosaina anio, eny amin’ ny foibe toeran’ny Havàtsa-UPEM, Tahala Rarihasina Analakely, ny Atrikasa fanoratana tantara foronina karakarain’ny fikambanana Ha­vàtsa-UPEM. Ity hetsika ity izay tafiditra ao anatin’ny iray volana anandratana ny teny malagasy. Amin’ity anio ity, Ranjatohery Harilala, mpampianatra sy mpikaroka ary mpanoratra tantara foronina no hitarika ny atrikasa. Tan­jona amin’izao […]

« 14ème Slam national » : efa fantatra ny datin’ny hetsika

Fantatra taorian’ny fandraisan’anjaran’i Madagasi­kara, tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany fa hotanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023, eto Antananarivo, ny «Slam National» andiany faha-14, karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Maro ny ezaka entina hanatsarana ity andiany faha-14 ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra mpikarakara. Efa manomboka mahazo laka eto Madagasikara ny […]