Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena taranja tolona, sokajy U17, U20, U23 ary Senior, lahy sy vavy, nokarakarain’ny federasionina (FML). Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohany fa manana lanjany izy ity. Voalohany, hifantenana ireo mpilalao handrafitra voalohany ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny […]
Other News
CHU Analakininina: Notoloran’Ambatovy gropy mpanome herinaratra
Nanohina ny antso nataon’ny toeram-pitsaboana CHU Analakininina na Hôpitalibe ny orinasa Ambatovy, manoloana ny fahatapahan-jiro ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Nanolotra gropy mamokatra herinaratra vaovao, manana tanjaka 17 KVA, hanamafisana ny famatsiana herinaratra, indrindra ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny zaza ny orinasa, omaly. Manan-danja tokoa ny fanampiana toy izao, indrindra amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hanampy ireo mpiray tanindrazana niharam-boina any Toamasina i Joely Kely. Nambarany ombieny ombieny io nandritra ny fampisehoana inefatra nisesy nataony, ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisiny sy ny Ivenco izay mpikarakara kosa izany omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy. Hisy ampahany tamin’ny vola azo, ampiana amin’izay voaangona ny andron’ny fampisehoana. Nosafidiana fa […]
Misoko miadana sy mangina: Hamaivanin’ny Malagasy ny fahapotehana…
Manomboka misongadina eny amin’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny fahasimbana sy ny fahapotehina. Maro loatra ireo tranga heveriny fa bitika ka nohamaivaniny. Ireny no misoko miadana ka manimba ny maha olona, mamotika ny soatoavina, sns. Mbola mahazo vahana eto Madagasikara, ohatra, ny fanomezana anarana vahiny ny zaza vao teraka. Ny fametrahana sy […]
Sokitra vita amin’ny vy : Nodimandry i Sylvain Subervie
Teratany vahiny izy, saingy nanokana ny ampaham-piainany teto Madagasikara. Nodimandry i Sylvain Subervie, mpanao sokitra vita amin’ny vy, fanta-daza maneran-tany. Anarana nanamarika ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny sokitra teto Madagasikara. Nampahafantarin’ny fianakaviany, omaly, fa nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany i Sylvain Subervie. Mpanakanto teratany vahiny, mpanao sokitra vita amin’ny vy […]






