Other News

Atao izay lazaina, lazaina izay atao…

Tsy misy vola, hono, ny fitondram-panjakana. Banky rompitra? Manaiky hiditra amin’ny fitondrana Tetezamita, hono, ny fitondrana amin’izao, ka hoe ny iray amin’ireo filoha teo aloha no mahafeno fepetra hitantana izany. Inona na ahoana koa ity honohono ankifonofono ifamitahana sy isaritahana an-toerana? Tsy inona fa vaovao tsy marina, famendrofendroana, fanakorontanana… Mba […]

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery: “Tsy misisika hanao tetezamita ny antoko HVM”

Namelabelatra ny “Fisandratana 2030”, teny Andraharo, ny avy amin’ny HVM sy ireo tanora miara-dia, tamin’ny sabotsy. Nanambara ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpanorina ny antoko, Rajaonarimampianina Hery. “Tsy misisika hanao tetezamita izahay. Tsy tongatonga ho azy ny resaka. Lalan-kevitra hikaroham-bahaolana izany noho ny fahantrana sy ny ahiahy amin’ny fifidianana”, hoy […]

Niady teo am-pisotroana toaka : Sefo fokontany, maty nifampitolona

Maty teo am-pifampitolomana tamin’ny namany ny lehiben’ny fokontany iray, ny zoma alina lasa teo, tany Evato Farafangana. Niara-nisotro izy mirahalahy. Tampoka nisy ny fifamaliana. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana, daka sy totohondry, ary fahafatesana izany. Nanatri-maso ny zava-nisy teo amin’izy roa tonta ny fokonolona, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nisambotra ilay nahafaty ny sefo fokontany […]

Ankazoabo Atsimo : ankizy varira avotra

Avotra soa aman-tsara ny ain’ilay ankizy varira 11 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Ankazoabo Atsi­mo, niaraka tamin’ny omby. Tafaverina teo anivon’ny ankohonany, afakomaly, izy. Tafaverina amin’ny tompony koa ireo omby nalain’ireo dahalo tao Bealanana, Toliara II, rehefa natao ny fanarahan-dia nandritra ny iray andro. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny fokonolona sy ny […]