Hankalazaina etsy amin’ ny tokontany malalaky ny Lapan’ny Tanàna Parvis Analakely ny Herinandron’i Eoropa. Maro ny hetsika hanamarihana izany, ahitana tranoheva miisa 24, handraisan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Frantsa (AFD), Alema (GIZ) anjara. Ao anatin’ izany, ny sehatry ny toekarena, ny tontolo iainana, ny sosialy, ny kolontsaina, sns. Tsiahivina […]
Other News
Haban-tseranana : faritana ny paikady hanatsarana ny fomba fiasa
Nanomboka omaly 11 hatramin’ny 13 mey, ny fivoriamben’ny Filankevitry ny governora, ahitana firenena 24, avy amin’ny faritra tapany atsinanana sy atsimo (ESA) ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny ladoany (OMD). Anisan’ny manome voninahitra manatrika izany ny sekretera jeneraliny, Kunio Mikuriya. Mamaritra ny paikady stratejikan’ny mpikambana ao amin’ny ESA ny filankevitry […]
Henan’omby : tsaho ny filazana fa mampiasa «formol»
Nidina ifotony koa omaly, ny fitantanana ny Fiompiana (DGE) ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Narahi-maso ny toerana famonoana omby eny Ampasika. Hita fa manaraka ny fitsipika sy ny fepetra rehetra ara-pahasalamana, ny henan’omby ity toerana ity. Nohitsin’ny tale jeneralin’ny Fiompiana ao amin’ny minisitera, Lezoma Tsiry, fa «miasa […]
Foire internationale de Madagascar- 2023 : mampivondrona ny mpandraharaha rehetra
Mampiray ny mpandraharahana isan-karazany manerana ny Nosy sy ireo orinasa eto an-toerana sy avy any ivelany ny FIM andiany faha-17. Asongadina anatin’ny hetsika ny fikolokoloana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra. Nisokatra nanomboka omaly, eny amin’ny Parc des expos Forello, Tanjombato ny “Foire internationale de Madagascar” (FIM) andiany faha-17. […]
Fampisehoana ara-javamaneno : haneho ny talentany ny mpianatry ny Anac
Hotanterahina anio manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Hotel de ville Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’ny mpianatry ny Academie nationale des Arts et de la culture na Anac. Hetsika nampitondraina ny lohateny hoe « Concert de fin de cycle 1 ». Mpianatra zavamaneno maro samihafa no haneho ny talentany mandritra io […]






