Fiatrehana ny raharaham-pirenena : Nihaona teny Iavoloha ny filoha telo lahy

Nanatanteraka fihaonana teny Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, sy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Maromaro ny lohahevitra nodinihina.

Manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, niara-nidinika tamin’ny Kly Randrianirina Michaël teny Iavoloha ny filoham-pirenena teo aloha, Ravaloma­nana Marc sy Rajaonari­mampianina Hery. Tsy nisy vaovao nivoaka mahakasika ny vontoatin-dresaka sy ny faharetan’izany, raha ny fa­nambarana avy ao anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana. Ny hany misongadina amin’ny fifampizarana dia fifampidinihana entina nifanankalozan-kevitra amin’ny fandalovan’ny firenena kihon-dalana, mialoha ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. «Ity fihaonana tamin’ireo filoham-pirenena teo aloha ity no nofidian’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël hifampiresahana sy hifanakalozana hevitra momba ny fizotry ny raharaham-pirenena noho ny tsy fisian’ny rafitra: Filankevitry ny Lalàmpano­renana – Conseil constitutionnel, eto amin’ny firenena», hoy ny fanambarana eo ani­von’ny fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika. Efa fanao any amin’ny firenen-kafa ny fananana ireo rafitra ireo.
Navoitran’ny fanambarana fa lafin-javatra maro no nifantohan’ny adihevitra teo amin’ny telo tonta. Anisan’izany ny fandrindrana amin’ny vahaolana mifandraika amin’izany ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy.
Tsiahivina fa tamim-pirahalahiana tanteraka no nizo­ran’ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra. «Nifan­toka hatrany amin’ny tombon­tsoa ambonin’ny firenena», hoy hatrany ny fanambarana.

Synèse R.

Partager sur: