Other News

Tandindonin-doza !

Mizotra mankaiza ary ity firenena ity? Mahavalalanina ny fivoaran’ny fiarahamonina. Mijininika hatrany ny ra na an-drenivotra na any ambanivolo. Samy manampatra ny heriny avokoa izay manana ny hery na mahita hirika hanaovana izany. Mahoraka ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony mihitsy ny fokonolona, raha vao mahita fomba […]

Nivadika ho milisy: zazafotsy sivy voatifitra, takalon’aina ny miaramila

Nivadika ho milisy ! Nihantsy mpitandro filaminana ny « Zazafotsy ». Nandratra zandary, nanao takalon’aina miaramila, nandroba basy. Raikitra ny fifandonana, sivy no maty. Nirefodrefotra ny basy sy ny grenady, omaly, tany Anjiajia, distri­kan’Ambatoboeny. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny andrimasom-pokolona “Zaza­fotsy”, izay nivadika ho milisy mitam-piadiana, sy ny mpitandro filaminana. Vokany hatramin’ny ora […]

Tsiadana : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Tokantrano iray saika ni­haran’ny fanafihana mitam-piadiana , omaly alina , tetsy Tsiadana. Nifanehitra tamin’ ny polisy mpanao fisafoana teny an-toerana ny jiolahy roa. Nandositra avy hatrany izy ireo rehefa nahita ireo mpitandro filaminana. Rai­kitra taorian’izay ny fifanenjehana sy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nire­fo­drefotra ny basy ary namaly tifitra […]

Roa lahy naiditra am-ponja… : cybercafé tratra nanao taratasy hosoka fanaovana pasipaoro

Natolotra ny fitsarana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy mpitantana Cyber­café iray eny Tan­jom­bato, voarohirohy ho tompon’antoka tamina taratasy hosoka fanaovana pasipaoro. Voasambotry ny polisy avy amin’ny «Service central des enquêtes spécialisées» (SCES) Anosy, ny zoma lasa teo, izy roa lahy. Tonga tao amin’ny biraon’ny polisy […]

Lasa ny kidoro… : mpamaky trano 15 mianadahy voasambotra

Jiolahy mpamaky trano 15 mianadahy voasambotra tao Sambava, omaly. Nanao hetsika nandritra ny telo andro ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nitran­gana vaky trano matetika tao amin’ny fokontany Ambo­di­satrana-Antanifotsy-Ambi­ha. Niara-nientana ny andrimasom-pokonolona. Nahi­tam-bokany avy hatrany iza­ny. Nahatrarana entana halatra fampiasa ao an-dakozia izy 15 mianadahy. Na­hitana kidoro sy bisikileta tao amin’ireto […]