67 ha : Mpanendaka gagilahy tra-tehaka

Manao andiany ! Tratran’ny polisy ny iray tamin’ireo mpanendaka ikoizana eny amin’ny faritra 67 ha, omaly. Efa fantapantatry ny avy eo anivon’ny Filaminam-bahoaka ny fisian’ireo andian-jatovo mpanendaka eny an-toerana ireo ka nandray andraikitra  izy ireo. Natao ny vela-pandrika niarahana  tamin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP 7. Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, saika hanendaka vehivavy no noraisim-potsiny ny lehilahy iray. Narahiny moramora avy aoriana, nodominy tampoka io vehivavy lasibatra io ary tamin’izany no nandroritan’ilay olon-dratsy ny poketra. Tsy nampoizin’ity farany ny fisian’ny polisy nanara-maso azy ka sarona tsy lasa alavitra teo io mpanendaka io. Naverina teny amin’ny tompony avy hatrany ny entana saika lasa ary natao fanadihadiana eny anivon’ny polisy io mpanendaka io.

Tsiferana R.

Partager sur: