Mpianatry ny EPP : Manao tombana ny roa volana voalohany

Hifarana ny zoma izao ny roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Manao tombana ny fandrai­san’­ny mpianatra ny lesona nampitaina ny mpanabe, amin’­ity herinandro ity, mia­loha ny hidirana amin’ny fiatoana mandritra ny herinandro. Hiverina an-dakilasy in­dray ny mpianatra, ny 9 no­vam­bra ho avy izao. “Somary mbola sahirana ny mpanabe niatrika ny fampianarana satria efa no­san­tarina ny taom-pianarana vao nampahafantarina ilay fandaharam-pibeazana PE. Nisy ny taranja vaovao natsofoka ary nisy fiovana koa ny kilasy hanombohana ny taranja sasany teo aloha”, hoy ny talen’ny EPP iray ato anatin’ny Cisco An­tananarivo Renivo­hitra. Ao­rian’ny tombana voalohany no hanitsiana ny lesoka amin’ny fampitana sy handrefesana ny lentan’ny fahaizan’ny mpianatra.
Nanambara ny minisi­teran’­ny Fanabeazam-pirenena fa handray mpampianatra 26 000 ao anatin’ny telo tao­na, ao anatin’ny tetikasa Talim, iarahana amin’ny Ban­ky iraisam-pirenena. 9 000 ny isan’ ny olona horaisina hisahana ny fampianarana eny anivon’ ny ambaratonga voalohany amin’ity taona ity. Ny 1 933 amin’ireo niofana teny anivon’ ny CRFRP ary efa nahazo ny fifanarahana arakasa teny Mahamasina.

Vonjy

Partager sur: