Namono olona iray ny Covid-19 nandritra ny 19 novambra ka hatramin’ny 25 novambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, raha isaky ny alahady ny fanomezana ny fivoaran’ny antontanisa mahazatra isan-kerinandro. 205 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 1061 natao tao anatin’ny faritra folo, 397 ny olona marary amin’izao fotoana […]
Mois : novembre 2022
Rafitry ny fahasalamana: miantso ny mpiray ombon’antoka hanampy ara-bola
Voavolavola ny drafitrasa hotanterahina mandritra ny efatra taona manaraka ho an’ny tolotra fahasalamana ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny taona 2023, mitentina 214 300 000 Ar ny sora-bola hokirakirain’ny CSB 18 eto Antananarivo Renivohitra sy ny sampandraharaham-pahasalaman’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra. Vola hampihodinana ny raharaha andavanandro ireo fa mbola miandry tohana sy famatsiana avy […]
Masoivoho japoney: hanangana efitrano fianarana ho an’ny IST
Nanome vola mitentina 272 tapitrisa Ar hananganana efitrano lehibe iray mahazaka olona 100 mahery sy efitrano fianarana vaovao ny masoivoho japoney miasa eto amintsika ho an’ny sekoly ambony Institut supérieur de technologie (IST) Antananarivo hanampiana ny fahafahan’ny sekoly mandray mpianatra. «800 isan-taona ny mpianatra azo raisina hatramin’izay noho ny fahanteran’ny […]
Fiatrehana ny fahavatra : diovina ny lakandrano sy ny «station de pompage» rehetra
Hihena ny tondradrano. Io no tanjona amin’ny fanadiovana ny lakandrano sy ny « station de pompage » hatao eo amin’ny tanànan’Antananarivo. Antananarivo ieren-doza no tanjona. Natomboka teny Marais Masay, ny fiandohan’ ity herinandro ity, ny fanadiovana lakandrano amin’ ireo toerana ivarinan’ny rano mandritra ny fahavaratra. Notohizana tamin’ny fanadiovana ny “station […]
Karate : samy vonona ny atleta avy amin’ i Solofo sy i Emile
Mitohy hatrany ny tantara eo amin’ny taranja karate malagasy. Raha toa ka niaraka fiaramanidina, ny alahady lasa teo, ny delegasiona avy amin’i Solofo Barijaona sy Ratefinanahary Emile, ankehitriny, efa samy nigadona any Durban izy ireo hiatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika. Ny filoha sy ny mpikambana vitsivitsy no efa […]




