Naratra voatifitra sy voadaroka ny lehilahy roa teny Itaosy, afakomaly alina. Valo lahy misaron-tava nanafika tsenakely. Voaroba ny vola 1 000 000 Ar sy finday dimy.
Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana, ny tsena iray etsy Antsahakely, fokontany Marobiby, kaominina Ambanivohitra Fiombonana, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka. Samy nisaron-tava avokoa izy rehetra, samy nitondra basy, lava sy fohy, ihany koa. Nodakan’ireo olon-dratsy ny varavarana ary nihongotra hatramin’ny tolana. Niditra ny roa lahy misaron-tava ka nanambana basy ny tompon-trano sady nitaky ny vola rehetra. Nijanona nanara-maso ny tany ivelany ny jiolahy ambiny. Voaroba, tamin’izany, ny vola 1 trapitrisa Ariary sy finday dimy ary enta-madinika. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsy nataony. Nisy tamin’ireo mponina no niantso vonjy ary vory lanona ny fokonolona. Tezitra, noho izany, ireo jiolahy ka nitifitra. Vokany, lehilahy iray 23 taona no naratra voadaroka. Lehilahy iray 44 taona, voatifitra teo amin’ny feny. Izay samy manaraka fitsaboana eny amin’ny HJRA Ampefiloha avokoa. Tsy nisy nahasahy nanaraka ireo fokonolona taorian’izay. Nampandre ny polisy ny mponina taorian’ny fanafihana saingy tsy nisy namaly, raha ny fanazavana voaray. Avy any amin’ny hopitaly izy ireo vao nampandre ny zandary teny Itaosy. Nanao fitenim-paritra avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy. Nahitana taim-bala 7,65, lot 61 90, iray teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana.
Fanafihana iray hafa teny Talamaty
Tokantrano iray tetsy Talamaty koa notafihan’ny jiolahy efatra tsy misaron-tava, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Samy nitondra antsy lava avokoa izy ireo, niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io. Noterena hamoaka ny vola sy ny zavatra sarobidy rehetra ny tompon-trano. Nanohitra ireo olon-dratsy ilay rangahy tao an-trano sady niantso vonjy. Norasain’ireo jiolahy tamin’ny antsy ny tanany. Vory lanona namonjy ny lasibatra sy nanenjika ireo olon-dratsy ny fokonolona taorian’ny antso vonjy. Lehilahy iray rahalahin’ny tompon-trano no voaratra tao amin’ny lamosiny. Nitsoaka tany an-tanimbary ireo jiolahy rehefa nenjehin’ny fokonolona. Naratra, nandritra izany, ny lehilahy iray hafa. Efa samy nahazo fitsaboana ary tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Etsy ankilany, voaroba ny peratra volamena miisa roa, finday marika Samsung S 9 sy Finday Iphone 6 ary vola iray tapitrisa Ar. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo trangana fanafihana ireo.
Mino




