Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly : mametraka ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ny CUA

Natao ny sabotsy 10 de­sam­b­ra teo tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny fa­namarihana ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirerenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ». Lohahevitra novoizina tamin’izany ny : « Aiza ny ady amin’ny fitantanana ny tanànantsika ? ». Nitarika ny fa­me­lam­belaran-kevitra tamin’izany ny ben’ny Tanànan’ Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ny talen’ny Fitanta­na­na tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly. Teo koa ny filohan’ny vaomiera ny fitantanana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly avy ao amin’ ny mpanolotsaina. Nisongadi­na tamin’ izany ny fanolorana ny asa vitan’ny CUA momba ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ ny fitantanana ny tanàna. Anisan’ny famerenana ny fitokisana eo amin’ny kaominina sy ny vahoaka izany. Eo koa ny fametrahana ny Sampan­dra­haraha miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly sy tsara tantana ary koa ny vaomiera mi­ady amin’ny kolikoly sy ny fi­tantanana mangarahara. Mana­ra-maso ny mpanatanteraka izany.

Fampidirana mpiasa, anaty mangarahara

Navoitra koa ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Bianco sy ny CUA, maneho ny fahavononan’ny ben’ny Tanàna hiady amin’ny kolikoly. Eo koa ny ezaka fampiofanana ny tomponandraikitry ny kaominina, niarahana tamin’ny Bianco ary ny fanaovana ny mason-tsivana sy ny fanaraha-maso ny fampidirana mpiasa, anaty mangarahara. Anisan’izany ny fampidirana polisy sy ny sampana mpamonjy voina.
Etsy andaniny, nitondra soso-kevitra koa ireo fikambanana, hanatsarana ny fitantanana ny tanàna. Nanterin’ny mpitantana fa efa anisan’ny ady amin’ny kolikoly ny fa­metrahana ny “Digitalisa­tion”. Natsidiny fa tsy maintsy hapetraka mandritra ny enim-bolana ho avy ny fizarana karatra nomerika. “Anisan’ ny fototry ny fampandrosoana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mangarahara. Mila mametraka politika ma­haritra amin’izany isika”, hoy ny Ben’ny tanàna. Namba­ra­ny ihany koa fa misy ny fanapahan-kevitra tsy mahafaly ny rehetra. Fantatra anefa fa ma­hasoa ny ankamaroan’ny mponina izany ka tsy maintsy miditra amin’izany ny CUA. Tsy hipetraka ny fototra raha tsy izany, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: