Fisolokiana sy fisandohana : Nisitrika tanaty vata, tratra i Tinah

Tsy namelan’ny polisy. Voasambotra omaly maraina, ilay vehivavy mpisoloky nokarohina. Nisitrika tao anaty vata tao an-tranony izy.

Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo, voasambotra teny Ikianja-Ambohimangakely, omaly, ilay mpisoloky sady mpanao hosoka naharaisan’ ny polisy fitarainana. Nisava ny trano fonenan’ity vehivavy ity ny polisy taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao marim-pototra. Nokaro­hina efa andro maromaro, saingy tafaporitsaka hatrany. Efa malaza ratsy tamin’ny fisolokiana i Tinah, araka ny fitarainana voaray tamin’ireo olona lasibatra. Anisan’ny voasolokiny tamin’ny alalan’ny vola hofan-trano amam-bolana ny mpilalao baolina kitra malagasy iray, taona vitsy lasa. Nanohy hatrany ny fahazaran-dratsiny ity vehi­vavy ity. Manofa fiaran’olona izy mivady ary nosoloiny ny laharan’ny fiara. Anaovany taratasy hosoka ka ahazoany mindram-bola eny amin’ny banky. Voasambotra ny vadiny saingy nahita nandosirana hatrany taorian’ny vela-pandrika natao azy ilay vehivavy. Tratra tao an-tranony izy rehefa niafina tao anaty vata lehibe izay efa nomaniny. Nahitana taratasy sy fitombokase mirakitra ny mombamomba ireo fiara maromaro efa nosolo­kian’izy mivady tao aminy. Nentina natao famotorana eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna izy avy eo.

Handositra

Raha tsiahivina, saika handositra niaraka tamin’ny zanany ity vehivavy ity taorian’ny fiparitahan’ny vaovao momba ny fikarohana ataon’ ny mpitandro filaminana azy. Nanao vela-pandrika ny polisy ary nanara-maso ny mpa­nampy nitondra ny zanak’ity mpisoloky ity. Nahatazana ny zanany sy ny mpanampiny teo Analamahitsy ilay vehivavy, saingy tsy nijanona, ny hari­van’ny alarobia 28 oktobra teo. Mailo izy ary nandositra avy hatrany niaraka tamin’ny fiara nentiny. Narahin’ny polisy tamin’ny moto izy ka nanao izay hahafahany ary nofao­hiny izay fiara teo anoloany. Najanony ny fiara nentiny noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary nitsoaka an-tongotra izy avy eo ka tsy voasambotry ny polisy, iny alin’ny alarobia iny.
Omaly maraina vao tsy afa-niala intsony tao an-tranony. Miatrika ny fanadihadiana eny anivon’ny polisy izy sy ireo olona voasaringotra amin’ity raharaha fisolokiana ity, alohan’ny hampiakarana azy eny anivon’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: